- Publicité -
mercredi, décembre 24, 2025
AccueilFaits-DiversCite Akany Sambatra Itaosy : Tranona mpanakanto malaza saika hisy hanafika

Cite Akany Sambatra Itaosy : Tranona mpanakanto malaza saika hisy hanafika

Ny maraim-ben’ny alakamisy tany ho any amin’ny 2 maraina, tetsy amin’ny cité Akany Sambatra Itaosy no nisy jiolahy maromaro no niezaka hihoatra ny tamboho. Mpanakanto malaza iray no saika lasibatra hotafihana tamin’izany, naheno avy hatrany anefa ny mpiambina ilay tanàna, ka niantso ny borigadin’ny zandary tetsy Bemasoandro. Ny andro rahateo efa alina ka tsy dia nanano-sarotra ny fandehanan’ny fiara nankeny amin’ny fifamoivozana.

Minitra vitsy tao aorian’ny antso, dia efa tonga teny an-toerana ny zandary ,ka tsy fantatra na henon’ireto jiolahy ny antso na ny fahatongavan’ny fiaran’ny zandary no henony fa dia rifatra nandositra izy ireo, ka tsy nisy tratra teny intsony. Tsy fantatra ny isan’izy ireto sy ny fitaovana tany aminy ,fa mila mailo hatrany ny tsirairay amin’izao vanin’andro fety izao, tsy kely lalàna mantsy ny ratsy ary betsaka koa ireo manararaotra, ka mamely tampoka sy mangalatra avy hatrany raha vao misy ny hirika azo idirana. Hanentanana hatrany ny eny amin’ny faritra Itaosy iny, mba ho haingana amin’ny fiantsoana raha vao misy ny zavatra mampiahiahy, mba hisorohana hatrany ny voina fa matetika mantsy efa lasa ny olon-dratsy vao sahy miantso ireo voatafika, ka sady lasany ny entana no tsy azo intsony ireo mpanafika.

ALEM

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser