“Rehefa tena nozohina dia tsy tena mpianatra velively ireo nanakorontana fa mersenera avy ety ivelany. Misy ambadika politika ihany koa ny raharaha ka ny mpianatra no ataon’ny sasany fitaovana” raha araka ny fanazavan’ny talen’ny Croua, Abel Andriamanarivo. Ito farany ihany no manazava fa na teo aza izany rehetra izany dia efa niverina amin’ny toerany ireo mpianatra monina eo anivon’ny Bloc 31 sy Bloc 9, trano roa izay nahatonga ny olana teo amin’ireo fikambanana roa karazany. Misy avy hatrany ny fepetra noraisina mba tsy hiverenan’ny toa izany intsony ka ao anatiny ny lalàna napetraka momba ny fonenana eny Ankatso. Izy io dia miandry ny fankatoavan’ny minisitry ny fampianarana ambony sisa. Isan’ny lehibe ao anatin’ilay drafitra ny fametrahana komisiona misahana ny fanomezana trano. “Io lalàna izay handrasana io no hahafahanay mahazo arofenitra kokoa amin’ny fanantanterahana ny asa” raha araka ny fanazavan’ny talen’ny Croua. Raha ny antontan’isa nivoaka dia mahatratra 27% eo ny tsy manara-dalàna amin’ireo mpianatra mipetraka eny amin’ny cite U, ny marimarina kokoa ny efa tsy tokony hipetraka eny intsony. Efa manodidina ny 25.000 ny mipetraka eny amin’io toerana io kanefa tokony ho 5.900 ihany no zakan’ny trano. Mbola ezaka goavana araka izany no miandry…
D.R