- Publicité -
mercredi, juin 18, 2025
AccueilFaits-DiversCité Ankatso : Miverina indray ny hala-botry

Cité Ankatso : Miverina indray ny hala-botry

Raha efa elaela ihany izay no tsy nahenoana famakiana tranona mpianatra teny amin’ireo Cité teny amin’iny faritra Ankatso iny dia miverina indray izany tato ho ato. Fantatra ary fa nisy tranona mpianatra lasibatry ny hala-botry indray teny an-toerana ny faran’ny herinandro lasa teo. Nopitsohan’ireo olon-dratsy ny fanalahidin’ny trano ary dia tsy nilasalasa izy ireo naka ireo fitaovana sarobidy tao an-trano, toy ny finday sy solosaina. Tsiahivina fa taorinan’ny fahamaizana mahery vaika nataon’ireo mpianatra tamin’ireo mpangalatra tratra teny an-toerana dia efa nilamindamina izany kanefa dia io niverina io indray. Ny farany indrindra dia ilay tovolahy nodoran’izy ireo velona tamin’ny lasantsy. Fa amin’izay resaka izay ihany, mpangalatra iray, izay efa malaza amin’ny famakiana ireo tranona mpianatra ireo no tratran’ny tompon-trano am-bodiomby tany amin’ny oniversiten’i Fianarantsoa, ny herinandro lasa teo hatrany. Na dia teo aza ny hatezeran’ireo nahatratra dia nisafidy ny hanolotra ity olon-dratsy teo an-tanan’ny tompon’andraikitra izy ireo.

Nangonin’i m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser