Tranga hafa kely ity niseho tao amin’ny Cité Haras Toamasina renivohitra, nitranga ny alarobia alina nifoha ny alakamisy ity, satria dia miaramila kilasy faharoa miasa eo anivon’ny toby RM1/3 eto Toamasina avy nanatitra ny sipany no nisy nitifitra ka voa teo amin’ny feny. Raha ny fanazavana azo dia voatitra soa aman-tsara ilay tovovavy naterina, saingy ny fiverenany avy ao izao tranga fitifirana azy izao no nitranga ; izay tsy fantatra na andian-jiolahy nifanena taminy no nahatifitra azy, na ny ahiahin’ireo mponina manodidina nahita azy tao anatin’ny haizina mandeha irery tsy mponina an-tanana sy tsy mazava, dia nahatifitra azy. Soa ihany fa teo ny polisy misahana ny hery vonjy taitra, FIP, nanavotra azy tamin’izao nahavoatitra ity miaramila kilasy faha-02 miasa amin’ny RM1/3 Toamasina izao, satria raha vao nahazo antso tamin’ireo andrimasom-pokonolona nahita azy naratra ny FIP dia tonga avy hatrany nanampy sy nanavotra azy tamin’ny fitondrana azy teny amin’ny hopitaly be , sy nampandre ny lehibeny ihany koa tamin’ny zava-nisy nahazo azy. Ankoatra izay araka ny vaovao hafa andaniny kosa, dia mety nikasa hanao « opération » ihany ity miaramila voatifitra ity tamin’io fotoana alarobia alina nahavoatifitra azy tao amin’ny Cité Haras io, satria isan’ny faritra mena amin’ny fanendahana sy vaky trano ary asan-jiolahy ilay faritra nahavoatifitra azy. Ny fanadihadiana ihany no hamaritra izany sy ny marina mikasika ny raharaha, saingy mbola miatrika ny fitsaboana azy eo anivon’ny hopitaly be ity miaramila ity izao.
Malala Didier