- Publicité -
mercredi, juillet 16, 2025
AccueilFaits-DiversCité-Itaosy : Lehilahy mpanao soudure nipoahan’ny gaz

Cité-Itaosy : Lehilahy mpanao soudure nipoahan’ny gaz

Nipitika ary feno ratra nony avy eo.

Mpanao « soudure » iray no naratra mafy, vokatry ny fipoahan’ny « gaz », izay fanaovany izany asany izany, teny Itaosy. Na izany aza dia avotra soa aman-tsara izy ary efa tsy misy atahorana ny ainy, hoy ny tompon’andraikitry ny filaminana teny an-toerana. Raha ny zava-nitranga : fipoahana mafy dia mafy, tsy mbola nisy toa izany no nanaitra ireo mponina teny amin’iny faritra Itaosy Cité iny, ny sabotsy lasa teo. Fipoahana izay niainga tao amina toeram-piasàna iray, izay fanaovana ireny karazana « soudure » ireny. Nihazakazaka namonjy io toerana niavin’io feo io avokoa ny olona. Tao anatin’izany, lehilahy iray, toa efa tsy nisy aina intsony no nitsirara teo am-povoan’ny tokontany, nihoson-drà tanteraka. Araka ny fanazavàna azo dia teo am-panaovana ny asany izy no nipoaka ilay tavoahangina « gaz » kely iray. Mbola teny aminy rahateo moa izany fitaovana izany. Karazan’asa iray isan’ny mampidi-doza tanteraka ity fanaovana « soudure » ity eto amintsika. Ambonin’ny hoe filalaovana ilay entona mampidi-doza izay, mora mirehitra sy mipoaka, dia eo ihany koa ny tsy firarahian’ny sasany manao izany asa izany, ny fikajiana ny aro loza sy ny maro samihafa. Noeritreretin’ny maro fa mety nisy tandrevaka nataon’ity mpiasa naratra ity tao matoa nipoaka ilay « gaz ». Nirefotra indray mandeha izany, ary nahazo ny tongony. Nipitika ary tsy nahatsiaro tena avy eo ilay lehilahy. Ireo olona nahita ny fahavoazana teny an-toerana no niezaka, naka fiara teny an-toerana nitondra ity lehilahy ity tany amin’iny toeram-pitsaboana. Tetsy an-danin’izay koa dia nidina teny an-toerana ireo mpitandro filaminana nijery ifotony ny zava-nisy. Feno ary saika isaky ny kartie dia misy mpanao soudure ankehitriny. Mividy « gaz » izy ireo ary maka toerana kely antsisin-dàlana dia efa raikitra ny asa. Izany anefa dia loza mitatao andro aman’alina na ho an’ny mpandalo na koa ho an’izy mampiasa azy, ary indrindra koa ho an’ireo olona izay manaoa fanamborana amin’izy ireo.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici