Ny alakamisy alina tokony ho tamin’ny 9ora sy sasany tany ho any, dia raim-pianakaviana iray no maty voatifitry ny jiolahy 10 tao an-tokantranony ao amin’ny “Cité Nouvelle Ville”. Ity tokantrano ity anefa dia zato metatra miala ny tobin’ny zandary eto Toamasina no misy azy, ka nihanika fefy ireto jiolahy ireo nidirany tao amin’ity tokantrano ity, raha efa nihidy rojo vy be ny vavahady. Raha ny fanazavana dia ny mpanampy an-trano hanidy trano tamin’ny 9ora sy sasany alina io no nisy nisintona tampoka ka tafavoaka tany ivelan’ny trano. Tsy afa-nikiaka ilay mpanampy, satria efa nisy niambina tamin’ny antsy be, vao tafiditra tao an-trano ireto jiolahy izay nizara roa ny sasany niandry taty ivelany ireo ambiny kosa niditra tao an-trano. Raha tafiditra ny trano izy ireo avy hatrany dia nambanany ireo rehetra tao an-trano, teo ireo nisaron-tava, teo kosa ireo tsy nanao izany. Nandritra izany dia nanjakan’izy ireo ny tao an-trano, satria tao ireo nisava ny armoara nisy ny vola, tao koa ireo naka ny firavaka samihafa hatramin’ny peratra mariazin’ny tompon-trano aza nalain’ireto jiolahy ireto. Raha nahita ny fanjakazakan’ireto jiolahy ny raim-pianakaviana dia tsy nanaiky lembenana ka niezaka ny nanohitra ireto jiolahy tao aminy ireto. Teo no nitifitra in-droa ireto andian-jiolahy ka nahavoa ilay raim-pianakaviana izay niteraka ny fahafatesany , na efa nialana nenina teny amin’ny hopitaly be aza. 42 taona ity raim-pianakaviana maty voatifitra ity ; izay orinasam-pitaterana entana ny fivelomany, ary telo mirahavavy ny zanany. Vao avy nitifitra ireto jiolahy ireto dia nirifatra nandositra avokoa, ka teo no hadinon’izy ireo tao amin’ity tokantrano ity ny antsy be isany nampiasain’izy ireo sy ny satroka nanaovan’ny sasany tamin’izy ireo. Efa samy nijery ny fandehan-javatra avokoa na ny zandary na ireo polisy, ka ho hita eo ny tohiny araka ny fanazavana.
Malala Didie