- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025
AccueilFaits-DiversCITIC Behoririka : Toeram-pivarotana finday vaky, entana an-tapitrisany ny very

CITIC Behoririka : Toeram-pivarotana finday vaky, entana an-tapitrisany ny very

Ny 16 novambra 2018 dia nametraka fitoriana teny amin’ny Polisin’ny SUT Tsaralalana ny tompon’ny Box 25 ao amin’ny CITIC Behoririka fa nisy nangalatra tao amin’ny fivarotany ny finday miisa valo izay mitentina 10,4 tapitarisa ariary. Rehefa natao ny fikarohana dia fantatra fa eny 67 ha ny toerana nisy ilay finday. Nidina ifotony avy hatrany ireo tomponandraikitra ka lehilahy iray no tratra tao amin’ilay tokatrano voatondro ny 13 janoary lasa teo.. Mbola tratra tao aminy ihany koa ny finday roa izay very tamin’io halatra io. Nosamborina ity lehilahy ity izay nahitana ireto finday ka fantatra fa avy amin’ny zanany lahy ireo zavatra nampiasainy ireo. REhefa natao ny velam-pandrika dia  voasambotra teny Itaosy ny zanany izay nangalatra ireto finday ireto. Ny famotorana natao taminy no nahafantarana fa io 16 novambra 2018 tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany maraina; niditra tao amin’ny CITIC ny tenany. Tsikariny fa tsisy olona mihintsy anatin’ilay Box 25 ary teo no niezahany nisikotra sy nanampitsoka ny varavarana fitaratra ka nahazahoany finday maromaro toy ny Samsung S4, Huawei, Alcatel. Efa in-telo nigadra ity tovolahy ity noho ny halatra sy fifohana rongony izay mbola mamerin-keloka izao.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici