- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversClaudine Razaimamonjy : Naverina eny Antanimora indray

Claudine Razaimamonjy : Naverina eny Antanimora indray

May endim-boanjo avokoa ary mailomailo ny ankamaroan’ny tompon’andraikitra amin’ny asam-panjakana taorian’ny fisamborana izay nisesisesy tamin’ity herinandro ity izay. Rehefa voasambotra i Eddy dia nosamborina koa i Mbola. Teo vao tena nahatsapa ny olona fa tsy sangisangy intsony ny zava-misy. Tonga hatrany amin’ny famerenana am-ponja an’i Claudine Razaimamonjy maikamaika ny fahamailoana. Nanomboka ny harivan’ny talata teo ity ramatoa ity no niverina teny Antanimora indray rehefa notazomina nandritra ny roa taona teny amin’ny fonjan’i Manjakandriana. Mety ho nisy nahita angamba izy niriaria taty ivelany ka nahatonga ny fepetra noraisina indray, sao hiteraka olana hafa. Raha ny feo mandeha tokoa mantsy, dia isaky ny alakamisy sisa ilay ramatoa no mitsidika kely ny fonja ary manao “pointage” dia afaka kely indray. Raha ny kajy tsotsotra, dia efa tapitra ny fe-potoana ara-dalàna hahafahana mitazona azy am-ponja vonjimaika (14 volana raha be indrindra, amin’ny heloka bevava ara-ekonomika) saingy efa nisy ny voatsara tamin’ny raharaha sasany nanenjehana azy ary efa manefa ny saziny izany izy. Ny momba ity famindrana etsy Antanimora ity indray, dia tsy dia mazava loatra. Raha nanontaniana ny tompon’andraikitra sasany dia nilaza fa nisy baiko avy any ambony ary izay no notanterahina.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici