- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversClémence Raharinina : Nampangaina ho nangala-tsonia

Clémence Raharinina : Nampangaina ho nangala-tsonia

Tokony ho tamin’ny 9ora sy sasany maraina no nanomboka ny fihainoana an’ity mpanolon-tsain’ny tanàna ity. Naharitra adiny roa sy sasany izany ary mahakasika hala-tsonia no antony nanokafana fanadihadiana azy. Ny filohan’ny mpanolon-tsaina no nitory noho ny taratasy izay nosoniavina ka nalefa tany aminy ary nolazaina fa sonia halatra no nampiasaina, raha araka ny mpisolovava an’i Clémence Raharinirina. Tany amin’ny fampanoavana no napetraka ny fitoriana ary io farany no nanome baiko ny polisy misahana ny heloka ara-toekarena, sampana miadidy ny fampiasana hosoka. Tsy mbola nivoaka omaly ny andro izay hanolorana ity raharaha ity eny amin’ny fampanoavana fa ny fakàna am-bavany aloha no tontosa. Toa ny mahazatra dia ny Me Willy Razafinjatovo fantatra amin’ny hoe Me Olala no nisahana ny fiarovana azy. Raha tsiahivina dia fitoriana faha-fito ity nanjo an’i Clémence Raharinirina ity, tao anatin’ny herintaona izay.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici