Anio maraina eny amin’ny polisy misahana ny heloka ara-toekarena, ny sampana miadidy ny fampiasàna hosoka, no henoina indray i Clémence Raharinirina. Izany hoe mba tsy eny Tsaralalàna indray fa eny Anosy no hotontosaina ny fanadihadiana azy. Fitoriana fanimpitony nahazo ity mpanolotsain’ny tanàna ity io hihainoana azy anio io hatramin’ny nanoherany ny politikan’ny ben’ny tanàna. Raha ny fanazavan’ity mpanolotsainan’ny kaominina ity dia notoriana ho nangala-tsonia ny taratasim-panjakana izy. Efa saika nahazo an’i Clémence avokoa ny karazam-pitoriana maro tao anatin’ny herintaona nivadihany hevitra ka tsy nanohanany ny ben’ny tanàna intsony. Efa nandalo teo ny fanaparam-pahefana, ny fanalam-baraka, ny fitaomana olona hikomy, ny fanaovana kolikoly. Izany dia ankoatra ny fanenjehana azy teny anivon’ny tribonaly misahana ny asam-panjakana. Tsy an-kijanona mihitsy ny fanenjehana azy, mitovy hatrany ny mpitory, dia ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo hatrany. Indraindray dia toa ny adin-jaza no fahitàn’ny olona ity fifanenjehana anatiny eo amin’ny samy olom-boafidy ity noho izy tsy mety tapitra mihitsy. Ady mangatsiaka izay efa aman-taonany…
D.R