- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversClémence Raharinirina : Onitra sy lamandy no sazy azony

Clémence Raharinirina : Onitra sy lamandy no sazy azony

Nivoaka omaly ny didim-pitsaràna mahakasika ny mpanolotsainan’ny tanànan’Antananarivo, Clémence Raharinirina. Voasazy handoa onitra mitentina 540.000 ariary sy lamandy iray tapitrisa ariary ny tenany, araka ny didin’ny fitsaràna ady heloka tsotra. Tsy nahafa-po azy izany didim-pitsaràna izany ka hampiakarany ny raharaha eo anivon’ny fitsaràna ambony. Fitoriana faninenina izay nataon’ny ben’ny tanàna azy ity nandeha omaly ity. Mahakasika io dia ny filazàna fa izy no nitarika korontana teny Behoririka nandritra ny fihetsiketsehan’ny mpivarotra mba ho fanoherana ny ben’ny tanàna. Amin’ny mpanara-baovao maro dia endrika iray entina hampanginana an’i Clémence Raharinirina ity fitoriana misesy nanjo azy hatramin’ny taon-dasa ity. Io farany izay manohitra tanteraka ny fitantànana ny tanànan’Antananarivo ary tsy misorona mampahafanatra izay heveriny ho tsy mety mba ho fanta-bahoaka. Nilaza izy fa na eo aza ny fandrahonana isan-karazany dia mbola vonona hatrany ny hampanjaka ny rariny sy ny hitsiny amin’ny asa izay nifidianan’ny vahoakan’Antananarivo azy sy ny andraikitra ankinin’ny fikambanan’ny mpamily taxi izay tarihiny.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici