- Publicité SW45 -
vendredi, décembre 27, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversClémence sy Lily: Hiatrika fanadihadiana lalina anio

Clémence sy Lily: Hiatrika fanadihadiana lalina anio

Mialoha ny fitsaràna azy ireo izay mety hivoaka anio ny daty hanatanterahana izany, dia mbola hiatrika mpitsara moanao famotorana indray anio ireo mpanolon-tsaina miisa fito anio. Clémence Raharinirina sy Vololoniaina Lucie no tena niharan’ny fitoriana ary notazomina ho mpiray tsikombakomba tamin’izy ireo kosa ny mpanolon-tsaina miisa dimy eo anivon’ny kaominina. Mahakasika fanalam-baràka avy amin’ny alàlan’ny haino aman-jery ary koa fanompàna natao amin’ny tambajotra sosialy. Mpanolon-tsaina monisipaly ihany no nitory teo anivon’ny polisy misahana ny cybercriminalité izay nanokatra fanadihadiana tamin’ireo olona fito. Niakatra fampanoavana izy ireo taorian’izay ary nandalo mpanao famotorana. Raha nahazo fahafahana vonjimaika ireo dimy, i Clémence sy Lily kosa dia arahin’ny fitsaràna maso akaiky. Ao anatin’izany fepetra izany ny tsy fahafahan’izy ireo mivoaka ny faritr’Analamanga ary koa ny mipoitra eny amin’ny polisy na ny mpitsara mpanao famotorana, indroa isam-bolana. Ankoatr’izay dia mbola raràna ihany koa izy ireo ny tsy haneho hevitra mahakasika ny olom-boatendry, mandram-pifaranan’ity raharaham-pitsaràna ity. Raha tsiahivina anefa dia ny fanakianan’izy ireo ny fitantànana ny tanàna ary koa ny famoahana dosie mahakasika izany no tena anton’ny fanenjehana hatrizay. Harahina indray ny mety ho fivoaran’ny raharaha.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici