- Publicité -
dimanche, août 3, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversClémence sy Lily : Mbola tsy nivoaka ny datim-pitsaràna

Clémence sy Lily : Mbola tsy nivoaka ny datim-pitsaràna

Vita omaly ny fanadihadiana izay notontosain’ny mpitsara mpanao famotorana ireo mpanolon-tsainan’ny tanànan’Antananarivo miisa fito. Tsy dia naharitra ela ny fihainoana azy ireo saingy nandeha tsirairay ary samy nohadihadiana manodidina ny 15 minitra avy teo. Tsy niova ny fanenjehana azy ireo dia ny fanelezana vaovao tsy marina tamin’ny haino aman-jery ary koa ny faniratsiràna amin’ny tambajotra sosialy. Raha ny fantatra momba ity raharaha ity dia mbola mihenjana ny tady satria mitazona hatramin’ny farany ny mpitory ary milaza ny mbola handrotsaka porofo vaovao indray ho an’ny mpanao famotorana. Vokatr’izany dia mbola tsy nivoaka aloha ny datim-pitsaràna ary mbola mitohy mihatra avokoa ny fepetra noraisina tamin’i Lily sy Clémence dia ny fanaraha-maso ataon’ny fitsaràna sy ny tsy fahafahana mivoaka ny faritr’Analamanga mandram-pahavitan’ny fitsaràna. Tonga maro teny an-toerana ny parlemantera an’ny antoko TIM izay misy an’i Lily Rafaralahy sy ireo mpanolob-tsaina sasany ary nanotrona hatramin’ny farany ireo olona voarohirohy amin’ity raharaha ity.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici