Hetsika fanaon’ny “Soroptimist International Club d’Antsirabe” na SICA isan-taona ny fitsidihana ireo kilonga kely eny amin’ny “fondation soroptimist Antsoatany”. Ity toerana ity izay nahorin’ny Club soroptimist Antsirabe tamin’ny taona 1997. Isan-taona dia fomban’ny club no mitsidika ireo zaza ao amin’ny “préscolaire” izay ny soroptimist no nanokatra ity kilasy ity. Omaly Alarobia no nanatanterahina ny fitsidihana. Tanjona amin’izany ny fampiravoravoana ireo zaza sy fizarana kilalao ary fampisakafoana azy ireo. Tokony ho tamin’ny taom-baovaoa no nanaovana ity hetsika ity fa noho ny antony ara-pahasalaman’ny tomponandraikitra dia izao vao tanteraka. Zon’ny ankizy rahateo no mifaly foana, sy milalao hoy ny filohan’ny SICA Ramaherison Clara ka rariny izy ireo raha misitraka izany. Ankaotry ny fizarana akanjo sy kilalao ary fampisakafoana antoandro moa dia tafiditra tao anatin’ny hetsika natao ihany koa ny nampianatra ireo kilonga kely hamboly hazo. Nisy noho izany ny zana-kazo novolena ka nanoroana ireo zaza ny fomba fambolena hazo, sy ny fikojakojana azy ary ny fanazavana tamin’izy ireo ny mety ho vokatsoa amin’izany mamboly hazo izany , izay notarihan’ny Rtoa filoha hatrany. Nanampy ny hetsika natao ny fampianarana ireo zaza manasa tànana sy fizarana savony satria antoky ny fahasalamana izany hoy hatrany ny fanazavana. Ankoatra ny préscolaire nahorin’ny SICA ao Antsoatany izay ahitana zaza 27 amin’izao fotoana dia isan’ny napetraky ny club ihany koa ny toerana famakiam-boky sy fianarana manjaitra ho an’ny vehivavy.
Andry N.