- Publicité -
vendredi, juillet 18, 2025
AccueilFaits-Divers« Cocaïne » : Mpiambina ny DG-n’ny ministera voarohirohy

« Cocaïne » : Mpiambina ny DG-n’ny ministera voarohirohy

Tsy manjifa akory na koa mivarotra no anton’ny fitoriana azy fa kosa mandrahona ny hisambotra raha toa ka tsy tapenam-bava amin’ny vola. Miara-miasa amin’olon-kafa izay mampahafantatra azy ny fisian’ny teratany vahiny iray izay mpanjifa « cocaïne » izy. Io farany dia maniraka lehilahy iray mividy izany zava-mahadomelina izany. Io hatrany no volosan’ilay « garde du corps » ary tsy amelany raha tsy manome vola azy sy ny olona  ao anatin’ilay tambajotra. Dia nipetraka tao anatin’izay ny fifampitondràna teo amin’ireo olona ireo. Omena vola isaky ny mandeha ny mpitandro ny filaminana (ilay mpiambina) izay maharaka ny heloka dia tsy miteniteny. Rehefa elaela anefa dia nisy ny tsy fifanarahana teo amin’ny roa tonta. Asa, leo angamba ny manome vola ilay lehilahy iray mpividy ny zava-mahadomelina sy manatitra izany any amin’ny mpampiasa azy, ka tapa-kevitry ny nanatona avy hatrany ny vondrona hiasan’ilay mpitandro ny filaminana. Omaly no nanomboka nohainoina io farany ary nisy avy hatrany araka izany ny fanadihadiana izay nosokafana momba ity raharaha ity, teo anivon’ny vondrona nisy azy. Ny tsy fanajàna ny fitsipi-pitondran-tena no voalohany azo hanenjehana azy amin’ny fitsipika anatiny. Manarak’izay, endrika fanaparam-pahefana ny fangalany vola amin’olona isak’izay mandeha mba tsy hanolorana ny raharaha eny amin’ny mpanao fanadihadiana.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici