- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversColiseum Antsonjombe : Tovolahy nitoraka kandidà, nodarahon’ny olona

Coliseum Antsonjombe : Tovolahy nitoraka kandidà, nodarahon’ny olona

Nifanenjehana … Voasambotra … Nifandritahana … Ary samy nidaroka avokoa ireo izay nahita.  Ireo « sécurité » maromaro no nanakana sy niaro azy nony avy eo ary nitondra azy nivoaka ny Coliseum. Tranga niseho nanditra ny hetsika fotsy nataon’ireo vondron’ny kandidà tetsy Antsonjombe, ny sabotsy lasa teo.

Tsy fantatra mazava izay tena tanjon’ity tovolahy iray, nandritra io hetsika teny an-toerana. Nisy nilaza fa mpangarom-paosy ingahirainy. Ny sasany indray nilaza fa olona voairaka hanakorontana fotsiny iny. Anisan’ireo olona tafiditra tetsy amin’ity toerana fanaovana fampisehoana ity mantsy ity tovolahy ity, ary niaraka nifangaro tamin’ireo olona marobe, tsy lavitry ny sehatra. Ny zava-nisy anefa, rehefa nandray fitenenana iny ny iray tamin’ireo kandidà no notorahany tavoahangy ary niezaka nitsoaka tao anaty olona izy taorian’izay. Saingy marobe ireo nahita ny fihetsika ary rafitra nanenjika avy hatrany. Tsy lasa lavitra akory dia voasambotra. Nitangoronan’ny olona ary samy rafitra namely azy avokoa ireo nahasambotra rehetra. Lavo ambany ranamana. Niteraka korontana kely teo anoloan’ny sehatra teo izany saingy niantso ho amin’ny filaminana ny mpanentana. Niditra an-tsehatra avy hatrany ihany koa ireo « sécurité » maromaro, nanakana ny olona tsy hidaroka azy intsony, ary nitondra ity farany nivoaka ny faritra.

Marihina fa efa somary maimbomaimbo rongony ny lehilahy tamin’io fotoana io. Noezahina nanontaniana ihany ity farany mahakasika ny fihetsiny, saingy tsy nety niteny. Nentin’ireo mpiambina maromaro, nihazo ny lalana ho any amin’ny kaomisaria tsy lavitra teo moa izy taorian’izay ary heverina fa natolotra ny mpitandro filaminana.

Ankoatra ity tranga kely ity azo lazaina fa dia nizotra am-pilaminana tanteraka ny hetsika fotsy tetsy Antsonjombe. Nivoha maraina ny vavahady ary tsy nifarana izany raha tsy tamin’ny efatra ora hariva tany ho any. Tazana tsy lavitra mihaodihaody teny ivelany teny foana rahateo ireo mpitandro filaminana, saingy tsy niditra an-tsehatra mihitsy, toy ny nataon’izy ireo hatramin’izay.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici