- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversColiseum : Hipoka olona ny hetsiky ny Pasitera Benjamina

Coliseum : Hipoka olona ny hetsiky ny Pasitera Benjamina

benjaFeno olona taneraka ny Coliséum Antsonjombe omaly. Tonga ny olona nanotrona ny hetsika Paska izay nokarakarain’ny Fmfoi ;izay notarihin’ny Pasitera Benjamina. Faradoboka rahateo io andro io, hany ka maro ny nanararaotra ny mba hifety ny Paska ao anatin’ny fahamasinana sy ny fitadiavana fahasoavana. Ary dia maro tokoa ny nahazo izany, raha araka ny fanazavan’ity Pasitera ity. Nomarihany aza fa fararanon’ny fahagagana no azo nilazana ilay hetsika. « Tao ny malemy izay afaka nitsanga, tao koa ny manana olan-tokantrano izay maivana rehefa nivoaka tao amin’ny Coliséum ary nisy hatramin’ny olona izay nitaraina noho ny sikidy nataon’ny mpisompatra aza no sahy nijoro ho vavolombelona fa lasa diso adiresy ilay varatra rehefa nivavaka izy ka  niverina tany amin’ny mpandefa azy » raha araka ny fanazavany. Tsy izay ihany fa nisy ny mariazy miara-mizotra sy ny fanatanterahana batisa ary koa ny fanosorana ireo mpikambana izay ao anatin’ny « groupe d’intervention rapide » ao amin’I Jesosy. Io vondrona io dia azo antsoina na andro na alina raha mila fanasitranana na fanafahana avy amin’ny alàlan’ny vavaka. Hitety faritany ny ekipan’ny Fmfoi aorian’izao hetsika izao.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici