- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-Divers« Composé » : Loza mitatao ho an’ny mpanjifa

« Composé » : Loza mitatao ho an’ny mpanjifa

Mitady ho lasa loza mitatao ny fihinana irony antsoina hoe « composé » eny antsisin-dàlana irony tato ho ato. Omaly fotsiny, tetsy Ambohitsoa, olona dimy no indray narary tao anatin’ny orinasa iray teo an-toerana ary voatery nampodiana. Samy nanamafy fa avy nihinana io karazan-kanina io tamin’ny fotoana fakàn’aina kely ary tamin’ny toerana samihafa izany. Raha nanontany mpitsabo iray tao amin’ny hopitaly lehibe dia tena mitombona tokoa ny ahiahy fa mitera-doza ny « composé » tato ho ato. Ny mety ho antony dia ny hafanana be izay manimba vetivety ilay sakafo izay vita amin’ny karazana akora samihafa anefa. Ny « mayonnaise » ao anatiny no tena mora mivadika ary mankarary avy hatrany. Manampy trotraka izany koa ny loto mandritry ny fikarakarana ny sakafo, indrindra amin’izao fotoana hiparitahan’ny lalitra izao noho ny fisian’ny letchis. Ilaina noho izany ny fahamailoana indrindra amin’izao fiatrehana ny fety izao. Nanamafy tokoa ny mpitsabo tsy miankina iray fa anisan’ny antony mampiditra hopitaly ny antsasak’ ireo marary mandritra ny fety ny trangana fanapoizinana ara-tsakafo, ary mbola tompon’andraikitra amin’izany hatrany ny fihinanana « composé ». Mila fanaraha-maso ny fivarotana azy ireny eny rehetra eny ary efa misy ny sampan-draharaham-panjakana tokony miadidy izany. Ho an’ny mpikarakara izany ao an-tokantrano indray dia mila fitandremana tanteraka mba tsy hiafara amin’ny fivadihan’io karazan-tsakafo io ho lasa poizina.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici