- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-Divers« Compte fake » : Olona iray nigadra roa taona an-tranomaizina

« Compte fake » : Olona iray nigadra roa taona an-tranomaizina

Mbola betsaka ihany ny misetrasetra amin’ny tambajotra sosialy ary manao fihantsiana noho ny fiheverana fa tsy mampigadra na koa tsy fahafantarana ny lalàna manan-kery. Efa maro no nidoboka am-ponja ary nisy koa aza ny voasazy an-tranomaizina. Ny farany tamin’izany dia ity olona izay notorian’ny fikambanan’ny teratany Indiana eto Madagasikara, na “Collectif des Français d’Origine Indienne de Madagascar” (CFOIM). Ny 23 febroary lasa teo izy ireo no nametraka fitoriana teo anivon’ny sampana miady amin’ny heloka anaty aterineto (service de la lutte contre la cybercriminalité) noho ny fihantsian’ny olona iray tamin’ny tambajotra sosialy. Io farany dia mandranitra ny olona mba hankahala ireo teratany indiana ary izay no tena anton’ny fitoriana izay napetraka teo anivon’ny zandary. Rehefa natao ny fitsirihana rehetra dia voasambotra tamin’ny 7 mey lasa teo ny tompon’antoka tamin’ilay kaonty miafina ary nanomboka nidoboka am-ponja, roa andro taorian’izay. Ny 18 mey teo izy no notsaraina ka voasazy roa taona an-tranomaizina. Tranga mitovy tamin’io koa  no nitranga ary mahakasika ny fanimbàna anaran’olona avy amin’ny fisolokiana ny kaonty e-mail an’ny zandarimaria. Voasambotra ny lehilahy nanao izany ary nizaka ny vokany ihany koa. Tsy vitan’izay fa momba ny depiote iray izay nisy namoaka hitam-poko hitam-pirenena ny sariny miboridana dia mbola nisy olona voasambotra sy nidoboka am-ponja koa. Tsy hiverenana intsony koa ny momba ilay mpanakanto izay nisazy herintaona noho ny famoahana sarin’olona tsy nahazoana alàlana tamin’ny facebook. Izany rehetra izany dia manazava fa mihatra sy mampigadra avy hatrany ny fikirakiràna ny aterineto ary ny facebook indrindra indrindra rehefa mihoatra ny tokony ho izy. Ny tsikaritra anefa dia mbola betsaka ireo olona tsy tonga saina amin’izany ary mihevitra fa rehefa mampiasa kaonty miafina dia afaka manao izay tiany, indrindra fa ireo mpikarama an’ady politika izay efa fantatra ny ankamaroany ankehitriny ary efa misy hatramin’ny sary aza any amin’ny tompon’andraikitra sasany.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici