Atoa Hery Razakamahefa mpitendry lokanga, mpampianatra mitendry zavamaneno, dia nanao kaonseritra nanaovana tomban’ezaka ireo mpianatra madinika ao aminy, tao amin’ny ivontoeran’ny Kolontsaina Malagasy Antsahavola no nanaovany izany hetsika izany, ny alahady 29 marsa teo. Niavaka ny fanehoan’ny mpianatra mitendry zavamaneno tsirairay, ny fiarahana tamin’ny vondron’ny mpitendry zavamaneno za-draharaha amin’ny fitendrena hira klasika samihafa.
Ary ambonin’izany rehetra izany, ny fandravahan’ny Amboaram-peo Fiadanana Maritiora Filadelfia (AFMF) ny fotoana, tamin’ny alàlan’ireo hira fiderana klasika. Ny AFMF izay mankalaza ny fahatelopolo taona niorenany. Ny AFMF moa dia miara-miasa akaiky amin’Atoa Hery Razakamahefa sy ny mpitendriny amin’io fotoana fankalazany ny fahatelopolo taona niorenany io. Ho fanamarihany izany, dia raisin’izy ireo ho adidy ny fananganana ny Tilikambon’ny Fiangonana METM Fiadanana Maritiora Filadelfia. Ho fanatontosana izany, dia hifanome tànana amin’ny Ekipan’Atoa Hery Razakamahefa sy ny mpitendriny izy ireo, ny 28 jiona ho avy izao eny amin’ny Espace Mahatehotia, hiarahana amin’ny sakafom-pifaliana ; izay tarihin’Atoa Rakotozafy Andriniaina José, Filohan’ny fankalazana. »