- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-Divers« Concombres de mer » nogiazana voahodinkodina : Teratany sinoa sy mpiasan’ny...

« Concombres de mer » nogiazana voahodinkodina : Teratany sinoa sy mpiasan’ny ministera maromaro voarohirohy

Sarona tany amin’iny distrikan’Analalava tany ireto « concombres de mer » maina, nahatratra 66 gony ireto ary nogiazana avy hatrany. Fantatra anefa fa nisy nahatafavoaka indray izany  ary nokasaina hoentina aty an-dRenivohitra sy hamidy teny amin’iny faritra Ambohipo iny.

Tratra fanindroany teny amin’iny lalam-pirenena fahefatra iny ireo entana nogiazana voahodinkodina ireto, satria tsy misy afa-tsy izy moa no nahafahan’izy ireo nivoaka tao amin’ny toerana nanagiazana azy ireo. Olona iraika ambin’ny folo no voarohirohy tao anatin’izany ka nahitana teratany sinoa anankiroa sy mpiasan’ny ministera maromaro. Voalaza mihitsy moa, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandarimarim-pirenana, fa ireo tompon’andraikitry ny fanaraha-maso ny jono tany amin’iny farita Sofia iny no tompon’antoka tamin’izany famoahana entana nogiazana izany. Vola mitentina eo amin’ny 30 tapitrisa ariary teo ho eo no nifampiraharahan’ny tompon’entana tamin’ireo tompon’andraikitra mba hamoahana izany tany an-toerana. Nosamborina avy hatrany moa ireto olona ireto, ary natolotra ny sampan-draraham-pitsarana misahana ny kolikoly (PAC) ka fantatra, fa ny dimy tamin’izy ireo : mpanara-maso ny jono miisa efatra sy teratany sinoa iray no nadoboka am-ponja. Mpiasan’ny Ministeran’ny jono  roa kosa miaraka amina sinoa iray no araha-maso ara-pitsarana. Ireo sisa ambiny moa dia nomena fahafahana vonjimaika avokoa.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici