- Publicité -
dimanche, juin 1, 2025
AccueilFaits-DiversRN 2 : « Container » nianjera tany amin’ny fiara

RN 2 : « Container » nianjera tany amin’ny fiara

Nivadika ilay kamiao ary nifatratra tamin’ny fiara nipetraka tsara tamin’ny sisin-dàlana, teo Ampasamadinika Toamasina. Nikorisa ny container lehibe 40 pieds izay feno entana. Fisaka tsy nisy noraisina intsony ny fiara minibus nandalovan’izany.  Afa-doza tanteraka ireo fianakaviana sendra tsy tao anatin’ny fiara tamin’io fotoana io fa namangy fasana teo amin’ny manodidina teo. Tsy nijanona teo anefa ilay container fa mbola nandona fiaran’olona hafa koa. Tao no nisy naratra mafy ary nentina hopitaly faran’izay maika. Nandeha ny feo teo an-toerana fa mpamily mpanampy no namily ilay fiarabe. Tsy vitan’izany fa mbola mamo koa io ary izay aza no tena nitarika ny loza, raha ny fanazavan’izay nahita teo an-toerana.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici