- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-Divers« Contravention » : Miteraka kolikoly ny tsy fisian’ny taratasy

« Contravention » : Miteraka kolikoly ny tsy fisian’ny taratasy

Samy nahatsikaritra ny mpampiasa làlana, ny mpamily fiara  na koa ny mpitaingina kodiaran-droa, fa nanamafy ny fisavàna taratasy ny mpitandro ny filaminana tato ho ato. Nasiaka koa ireo momba ny tsy fanarahana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana. Nisy ny tezitra kanefa izay ny asan’izy ireo sy ny antom-pisiany. Ny olana kosa anefa, rehefa voasazy ny mpamily ka nalaina ny taratasin’ny fiara na ny moto, dia tsy mba manome ny taratasy entina hangalàna izany ny mpitandro ny filaminana. Izany hoe tsy manome « fiche de contravention ». Eo no niteraka fisavorovoroana satria  matahotra ny olona sao ho very any ny taratasin’izy ireo. Mitombina tanteraka izany satria ny anton’ny « contravention » dia mba hahafantarana ny tsy nety natao, ny mpitandro ny filaminana izay tompon’andraikitra tamin’ny fanomezana ny sazy ary indrindra koa ny toerana izay hangalàna ny taratasin’ny fiara rehefa voaloa ny lamandy. Tsy nisy anefa izany ary marobe ny olona no tsy nety niala teo amin’ny toerana nahazoany sazy raha tsy mahazo taratasy fanamarinana. Tsy hitan’ny  mpitandro ny filaminana koa izay atao satria ny minisiteran’izy ireo mihitsy no tsy manana intsony ny taratasy na « imprimé ». Rehefa natao ny fanamarinana tamin’ny tompon’andraikitra ambony sasany izay nisafidy ny tsy hotononina anarana, dia nilaza mazava izy ireo fa tsy misy ny vola tokony hanontàna ny taratasy. « Ireny rahateo dia tsy maintsy any amin’ny imprimerie nationale no hatonta satria taratasim-panjakana ary taratasy ara-pitsaràna. Tsy afaka ny hanamboatra izany araka izany izahay », raha araka ny fanampim-panazavana. Vokatr’izany rehetra izany dia lasa mifandamina ny eny an-kianja. Lasa mandeha ny tolotra kely sy ny kolikoly satria samy mahatsapa fa miteraka fahasahiranana ny zava-misy. Ny andaniny matahotra ny sao ho very taratasy, ny ankilany afaka manararaotra tsara manao vola vetivety. Mila jeren’ny tompon’andraikitra satria miteraka tsy firindran’ny asam-panjakana ary koa fanararaotana ny olom-pirenena. Mahamenatra rahateo izany hoe taratasy hiasàna aza tsy misy…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici