« Efa tonga ao Antananarivo ao ny « coronavirus » fa samia mailo sy mitandrina ( …) » santionany tamin’ilay hafatra nalefan’ity tovolahy iray ity mipetraka any amin’iny faritra Sava iny, tamin’ny tambajotra sosialy Facebook, ny talata lasa teo. Vaovao tsy marina ary efa nodisoin’ireo tomponandraikitry ny fahasalamana eto amintsika izany.
Efa nampahafantatra sy nanafatrafatra moa ireo tomponandraikitra ambony, na teo anivon’ny zandarimariam-pirenenaio na teo anivon’ny pôlisim-pirenena, fa hiroso avy hatrany tamin’ny fisamborana sy fanasaziana ireo olona minia mampisavorovoro saim-bahoaka sy mampiely vaovao tsy marina izy ireo. Araka izany, taorian’ny fanadihadiana nataon’ireo mpitandro filaminana momba ny « compte »n’io tovolahy nilaza tsaho io dia fantatra fa any amin’iny faritra Andapa iny ity farany no mipetraka. Nampandrenesina araka izany ireo mpitandro filaminana tany an-toerana ary niroso tamin’ny fisamborana azy, omaly tokony ho tamin’ny folo ora maraina tany ho any. Raha ny angom-baovao azo dia mbola toerana somary ambanivohitra any amin’ny distrik’Andapa, tao amin’ilay hoe Ambodimanga Ambalamanasy no nahatratrarana azy. Tovolahy 19 taona izy io ary mpanamboatra finday no asany. Nanaiky tokoa ingahirainy, hoy ny loharanom-baovao hatrany fa izy tenany mihitsy no nandefa ilay hafatra tamin’ny FB. Voalazany mantsy fa toa hoe nahazo fampitandremana ihany koa ny tenany tamin’ny alalan’ny hafatra fohy tamin’ny finday ary izay no antony nandefasany azy tamin’ny tambajotra sosialy. Nentina niakatra an’Andapa avy hatrany moa ity farany ary notazomina natao andrimaso mba hanaovana fanadihadiana. Vao iray izay no tratra fa mbola maro ireo milaza antsanga tsy aman’orana toy izany, entina fotsiny, na io hanaovany dokambarotra ny tenany na hampisavorovorana saim-bahoaka. Marihana fa mbola manamafy hatrany ny eo anivon’ny Ministeran’ny fahasalam-bahoaka, araka ny fanambarana nataon’izy ireo, ny talata teo fa tsy mbola misy trangana Covid-19 eto amintsika. Na ireo milaza araka izany fa nisy olona matin’ity aretina ity tany Nosy-be na ny filazàna fa misy tranga ihany koa eto Antananarivo dia lainga sy tsaho avokoa ka tsy maintsy handraisana fepetra araka ny lalàna velona.
m.L