- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversCoronavirus : Nihorohoro ny tetsy Ankazomanga

Coronavirus : Nihorohoro ny tetsy Ankazomanga

Vetivety dia nitangorona ny olona saingy kosa tsy nisy sahy nikitika na nanampy. Ny antony, mazava loatra, dia noho ny tahotra sao sanatria ho tratrin’ny valan’aretina Covid-19. Izany no nitranga tetsy Ankazomanga omaly maraina. “Rangahy iray no sempotra teo amin’ny fivaratom-panafody Ankazomanga ary niteraka savorovoro teo amin’ny tambanjotran-tserasera. Tsy niandry ela fa avy hatrany dia nijery ifotony nizaha ny marary ny ekipan’ny ny BIS na ny ‘Brigade d’Intervention Spéciale’ izay araka ny fandaminana eo anivon’ny fanjakana dia io rafitra io no miandraikitra ny fizahana ny marary” raha araka ny fanazavàna azo avy amin’ny tompon’andraikitra voalohany no sady mpandrindra ny BIS, ny Médecin Général de Division RASAMIMANANA Avisoa Lysias. “Taorian’ny fizahana izay nataon’ny mpitsabo avy amin’ny BIS, izay notarihin’ny Médecin Capitaine MASINA Ndalana d’Assise, dia tsy fahasemporana vokatry ny tsimok’aretina corona virus no nanjo ilay rangahy fa kosa noho izy efa taizan’aretin’ny tosodrà na sy vokatry ny aretim-po” raha araka ny loharanom-baovao mitovy hatrany. Notaterina maika teny amin’ny hopitaly Befelatanana ny marary ary natao avy hatrany ny famonjena ny ainy. Voaporofo arak’izany, raha ny tatitry ny miaramila miandraikitra ny BIS fa tsy coronavirus no nahazo ilay rangahy. Raha iverenana ny tetsy Ankazomanga dia tena nampihorohoro izay nahita ny fahitàna ilay rangahy nitsirara teo amin’ny tany ary miendrika sempotra. Ilaina hatrany ny fampahafantarana ny olom-pirenena ny fisian’ny tranga toa izao mba hahafahany mandray andraikitra haingana amin’ny fandraisana fepetra hiarovan-tena. Etsy andaniny koa, nanampy betsaka ny fizaràn’ny olona ny zava-nitranga teo amin’ny tambajotran-tserasera ary nanafaingana ny fahitàn’ny tompon’andraikitra ny zava-nisy aza izany.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici