- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversCOSPN : Nhazo fitaovana vaovao ny sampana karaté

COSPN : Nhazo fitaovana vaovao ny sampana karaté

Nahazo fitaovana vaovao ny sampana fanatanjahantena COSPN karate-do. Tetsy amin’ny Dojo n’ny Polisy Antanimora no nanolorana izany, ny marainan’ny asabotsy 05 jolay 2014. Casque efatra, plastron efatra, protège-tibia efatra, coquille roa, gant de compétition roa, Pao iray, appareil : banc de musculation professionnel. Fitaovana izay avy amin’Andriamatoa Rasolonjatovo José mivady filohan’ity sampana ity ihany. Nandray ireto fitaovana ireto tamin’ny anaran’ny Polisim-pirenena ny Directeur des Ressources Humaine eo anivon’ny minisiteran’ny Filaminam-Bahoaka, ny commissaire principal de police Rakotondravelo Herilanto Iangotiana, izay nanambara fa tena ilain’ny polisy amin’ny asany ny fahaizana haiady toy ny karaté ka zava-dehibe ny fahazoana ireto fitaovana ireto. Marihana fa efa 100 mahery ireo mpanao karaté efa nandalo tao amin’ity sampana eo anivon’ny Polisim-pirenena ity.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser