
Nivoaka ny tetezana ary nivadika ny kamiao nitondra ny zandary maromaro. Folo kilaometatra alohan’ny hidirana an’i Tsivory no nitranga izany lozam-pifamoivoizana izany, ny zoma lasa teo. Tapaka tampoka ny « transmission » ary nivoaka ny tetezana ilay fiara, talohan’ny nilatsahany tany anaty hantsana. Raha araka ny loharanom-baovao eo anivon’ity vondron’ny mpitandro ny filaminana ity dia naratra avokoa ireo zandary nentiny, niisa 17 izy ireo. Ny roa tamin’ireo no tena voa mafy. “Ny iray nisaoty teny ambony fiara dia nidona tamin’ny tetezana nony avy eo. Tapaka ny tanany. Ny faharoa kosa nianjeran’ny barika feno ‘gas oil’ tao anatin’ilay kamiao ary naratra mafy”, raha araka ny loharanom-baovao. Manoloana an’izany rehetra izany dia nandray fanapahan-kevitra ny fanjakana foibe ka naniraka ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, Didier Paza, mba hijery akaiky ny zava-misy. Omaly dia fantatra fa nandray fanapahan-kevitry nandefa faran’izay haingana ireo naratra aty an-drenivohitra tamin’ny alàlan’ny fiaramanidina io tompon’andraiki-panjakana io. Efa nanaraka fitsaboana sahaza ireo naratra ary nisy ihany koa ny fandidiana natao.
D.R