Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina tetsy amin’ny lalam-baovao mampitohy an’Ankadindramamy sy Nanisàna ny harivan’ny alahady teo. Ireo tanora tia kodiaran-droa, mifanenjika amin’ny alalan’ny “course sauvage” tamin’iny lalana iny no ireto niharan-doza ireto. Potika tsy nisy azo noraisina ny moto anankiroa. Samy naratra kosa ireo roalahy nitondra azy.
Raha ny fitantaran’ireo nanatri-maso dia tokony ho tamin’ny efatra ora sy sasany tany no niseho ny loza. Nifandona nanao “face à face” ireto scooter ireto tao anatin’ny hafainganam-pandeha mafy. Nirefotra, nipoaka mihitsy ireo moto, toy ireny ao anaty horonantsary ireto ary nirehitra avy eo, namela tarik’afo amina metatra maromaro teo amin’ny arabe. Soa ihany fa nahay niala ny mpitondra azy na izany naratra mafy ihany ireo roa lahy : goaka sy tapaka tongotra hoy hatrany ireo teny an-toerana. Izy ireo izay efa samy nentina nihazo tobim-pahasalamana avokoa.
Taorian’ity tranga ity dia nisy ny fidinana ifotony nataon’ireo polisy misahana iny faritra iny teny an-toerana. Raha ny fanazavana azo dia mbola fanentanana an’ireto tanora ireto aloha no natao fa tsy mbola niditra tamin’ny fanasaziana izy ireo. Izany hoe fanomezana fanazavana azy ireo mahakasika ny maha-zava-doza mety haterak’ity karazana “course” ataon’izy ireo eny an-dalam-be. Loza ho an’izy ireo ary loza ho an’ny mpampiasa lalana. Ny fampahafantarana ny voalazan’ny lalàna, satria dia voarara ary henjehin’ny lalàna tokoa ny zavatra tahak’izao. Mazava ho azy, hisy ny fandraisana fepetra goavana aoriana raha mbola mitohy ity toe-javatra ity, raha ny fanazavana azo hatrany. Marihana fa efa nampitaraina olona sy ny mampiasa lalana maro tokoa ity “course sauvage” miseho eny amin’ny rocade Ankadindramamy isaky ny alahady ity, ary tsy vao io no loza nitranga teny an-toerana vokatr’izay.
m.L





