- Publicité SW45 -
jeudi, mars 27, 2025
AccueilFaits-Divers« Couvre feu » manomboka amin’ny 9 ora alina ka hatramin’ny 5...

« Couvre feu » manomboka amin’ny 9 ora alina ka hatramin’ny 5 ora

Mbola mitana ny sain’ny maro amin’izao fotoana izao ny vono olona nahatsiravina tao amin’ny kôminy ambonivohitr’Amboasary Atsimo, nanapakevitra ny mpitondra any an-toerana fa hisy ny fotoana tsy azo ivezivezena amin’ny alina (couvre feu), manomboka amin’ny 9 ora ka hatramin’ny 5 ora maraina. Izany fepetra raisina izany dia nanomboka omaly ka haharitra hatramin’ny fotoana tsy voafetra. Raha ampahatsiahivina, zaza roa tsy manantsiny  no maty novonoina tamin’ny fomba feno habibiana, notetitetehin’ireo olon-dratsy  antsy. Testy andaniny, maty voatifitra koa ny rainy ary lasan’ireo mpangalatra ny volabe tanaty gony tao an-trano. Natao izany mba hitandrovana ny fandriampahalemana. Tsy mbola mandry fahalemana any amin’iny faritra Anôsy iny hatramin’izao. Manao antso avo amin’ny tomponandraikitra mba hijery akaiky sy hamaha ny olan’ny tsy fandriampahalemana any an-toerana.

Rom Farady.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser