- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversCovid-19 : Niampy iray ny mpanao gazety lavony

Covid-19 : Niampy iray ny mpanao gazety lavony

Ora vitsivitsy taorian’ny nahatongavany tao amin’ny hopitaly Anosiala dia tsy tàna intsony ny ainy. Nodimandry omaly Rakotoniaina Tolora, fantatry ny maro amin’ny solon’anarana « Big Tolotra », fiantso azy rahateo eo amin’ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety. Izy no isan’ny mpanao gazety voalohany teo anivon’ny Radio Bongolava izay feno 25 taona tamin’ity taona ity. Efa nanomboka ny 13 jolay teo izy no narary tany Tsiroanomandidy. Nihombo ny aretiny ary tsy maintsy nampiakarina haingana teto an-drenivohitra mba ho fanavotàna ny ainy. Tafiditra tao anatin’ny antsoina hoe « forme grave » izy ary avy hatrany dia nentina teny Anosiala. Vao maraina omaly dia vaovao ratsy no heno tamin’ny fianakaviany dia ny fahalasanany izany. Namela mananon-tena sy kamboty roa i Big Tolotra izay lavon’ny Covid-19 teo amin’ny faha-41 taonany. Omaly ihany dia natao ny fanitrihana azy teny amin’ny fasan-drazany eny Ampangabe. Fanindroany izao no nisy mpanao gazety lavon’ity valanaretina ity. Ny iray dia miasa eo anivon’ny onjam-peo iray eto an-drenivohitra ary nisafidy ny tsy hanononana anarana azy ny fianakaviany. Fantatra koa ankehitriny fa misy ireo miasa eo anivon’ny tontolon’ny haino aman-jery no mitondra ny valanaretina ankehitriny. Misy mihitsy aza ny miady aman’aina ary tsaboina any amin’ny hopitaly mifanandrify amin’izany. Izany rehetra izany dia midika fa isan’ny sehatra tena tafihan’ny Covid-19 ity sehatra ity. Ny antony dia satria miasa izany ao anatin’izao vanim-potoanan’ny hamehana ara-pahasalamana izao. Misedra olana ny mpanao gazety ankehitriny satria lasa miady irery amin’ny ady atrehina amin’ny fahavalo tsy hita maso. Maro ny orinasa izay mandraharaha eo amin’ilay sehatra no voatery nampihena ny karama na koa nanala vonjimaika mpiasa noho ny fihenan’ny vola miditra. Vokatr’izany dia betsaka ny mpanao gazety very asa na koa miasa fa amin’ny karama kely. Raha mihiboka ny daholobe, ny mpanao gazety kosa dia miasa isan’andro. Ankehitriny izy ireo dia mahatsapa fa mila tohana satria lasa miady irery loatra. Raha marary vokatry ny asa dia tokony mba hamoraina ny fanaovana « test » sy fidirana hopitaly, satria niasa ho an’ny tanindrazana amin’ny maha-sehatra « requisitionné » azy. Toraka izany koa, mila tohana amin’ny fitaovana izay farafahakeliny entiny miady amin’ny valanaretina. Hatreto dia mividy am-paosy ny arovava sy ny tsiranoka mamono valanaretina izy ireo. Ireo anefa ny farafahakeliny.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici