- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversCovid-19 : Taxi-brousse sy taxi-be 38 nogiazana

Covid-19 : Taxi-brousse sy taxi-be 38 nogiazana

Raikitra ny fisavàna tampoka ireo fiara fitateram-bahoaka teny amin’ny lalam-pirenena fahafito sy ireo zotra hafa ivelan’ny tanan-dehibe. Nanomboka ny zoma lasa teo ka hatramin’ny omaly dia nahatratra 38 ny isan’ireo taxi-brousse nosaziana ary nampidirina valam-pamonjàna. Ny tsy fanarahana ny fepetra ara-pahasalamana mba hiadivana amin’ny fiparitahan’ny valanaretina Covid-19. Mahakasika ny tsy fanajàna ny toerana ao anatin’ny fiara no tena nanenjehan’ny lalàna azy ireo. “Misy ireo taxi-be izay mbola mampiasa “strapotin” hatrany na dia efa raràna aza izany. Ho an’ny taxi-brousse indray dia misy ireo izay manisika olona anaty fiara. Efa tonga hatrany amin’ny enina isaky ny andiany ho an’ireo fiara tena manararaotra. Mifampisisika ny olona ary mazava loatra fa manamora ny fiparitahan’ny valanaretina izany”, raha araka ny fanazavana teo anivon’ny ministeran’ny fitaterana izay miantso ny mpitandro ny filaminana mba hanampy azy ireo tanteraka ao anatin’ity ady amin’ny tsy fanarahan-dalàna ataon’ny mpitatitra ity, izay mety hiteraka zava-doza amin’ny fiparitahan’ny Covid-19. Tazomina mandritra ny 10 andro ireo fiara nogiazana ary maro amin’izy ireo no taxi brousse mampitohy an’Antsirabe. Ankoatra ny fitondràna olona mihoatra ny isa dia mbola niharihary koa ny tsy fanajàna bokin’ndraikitra. Ao anatiny ny fampiasana ny “gel hydroalcoolique” sy ny fandiovana hatrany ny fiara isaky ny avy mandeha.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici