- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilCOVID-19Covid-19 Toamasina : Am-polony no fantatra fa namoy ny ainy

Covid-19 Toamasina : Am-polony no fantatra fa namoy ny ainy

Tsy nitsaha-niakatra ny tahan’ny olona mitondra ny tsimokaretina Covid-19 eto Toamasina tao anatin’izay 15 andro izay. Nisy ny fanazavana natao teo anivon’ny onjam-peom-pirenena niarahana tamin’ireo onjam-peo mpiara-miasa aminy, mikasika ny firongatry ny aretina sy ireo fepetra noraisina hampihenana sy hanafohanana izany. Raha ny tarehimarika nomen’ny teo anivon’ny talem-paritry ny fahasalamana atsinanana dia nahitàna tranga maherin’ny 100 be izao teto Toamasina nandritra ny 15 andro, ka nisy aza andro iray nahitana olona voan’ny Covid-19 niisa 14. Ny maty aza nandritra izany dia nahitàna olona am-polony raha ny fantatra.

Mahatsapa ny rehetra fa tena mirongatra ny valanaretina izay tsy fantatra na ilay “variant” voalaza izy ity na inona, fa tena mora mifindra amin’ny hafa sy mafimafy kokoa ny fitrangany raha ny fanazavana azo. Vokatra izany dia nandray fepetra ny governoran’ny faritra atsinanana, Rafidison Théodore, saingy tsy ho fihibohana akory izany izay ny fanjakana foibe ihany no afaka mandray izany fepetra izany, fa ho henjanina ny fanaraha-maso ny olona amin’ny fampanajana ny fepetra sakana amin’ny Covid-19. Hamafisina manomboka izao ny fanaovana ny arovava-orona eny rehetra eny, hamafisina ny fanajana ny elanelana iray metatra, araha-maso ny fanasana tanana na ny fampiasana ny “hydroalcoolique”. Tena ho henjanina koa araka ny nambaran’ny governora Rafidison Théodore ny hetsika atao etsy sy eroa amin’ny fampanajàna ireo hetsika sakana momba ny Covid-19, saingy tsy ho sakanana ny fanaovana ireny hetsika samy hafa ireny. Re koa izao fa misy ireo sekoly nahitàna olona maro mitondra ny tsimokaretina Covid-19, ao ny sekoly tsy miankina ao koa ny sekolim-panjakana, no nahato ny fampianarana ao aminy ho fisorohana ireo mpianatra sy ny mpanabe ao amin’ilay sekoly sy ny manodidina azy rehetra. Mandritra 10 hatramin’ny 15 andro no anaovana izany eto Toamasina amin’ity volana marsa ity mialoha ny fidirana ny volana aprily hisian’ny fialatsasatry ny paska. Raha mbola mitombo hatrany ny fitrangan’ny valanaretina mandritra izany dia hisy ny fepera hafa hatao mandritra ny paska hoy ny governora.

Ankoatra izany dia noentanina hatrany ny vahoaka raha misy ny mampiahiahy azy ireo dia ny fanantonana toeram-pitsaboana ihany no vahaolana voalohany, fa tsy tsara ny manao dokotera tena izay mety hampidi-doza raha mihombo amin’ny “cas grave” ny aretina. Maro anefa ireo nanantona ny teny amin’ny hopitaly kely ny herinandro nivalona iny no tapitra nitaraina fa mitavozavoza be ny mpandray azy ireo, ka miandry andro maromaro vao mety ho voaray sy miandry ny valin’ny fitiliana, satria toeram-pitiliana iray ihany no manao izany eto Toamasina.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici