« Mbola tsy tapitra ny hamehana ara-pahasalamana ary mbola mihatra ny tsy fahafahana mivezivezy amin’ny alina manomboka ny misasak’alina hatramin’ny 04 maraina. Misy ihany koa ireo toerana mbola tsy afaka misokatra toy ny toeram-pandihizana sy ny bar. Niroso tamin’ny fanakatonana ireo toeram-pandihizana mbola nisokatra ny polisim-pirenena ny faran’ny herinandro teo ary nasaina namonjy ny tokantranony ihany koa ireo olona. Toy izany koa ireo bar izay mbola nivoha », hoy ny fanaparitaham-baovao hita tao anatin’ny pejy ofisialin’ny pôlisy tao anaty tambajotra sosialy.
Hita sy tsapa eny anivon’ny fiaraha-monina eny tokoa ny tsy fivakisan’ireo sasantsany loha amin’ireo fepetra ara-pahasalamana enti-misoroka ny fiparitahan’ilay valan’aretina Covid-19. Maro ireo tsy mitondra arovava intsony, ny « gel » niha-nanjavona tsikelikely, ny taxibe sasantsany aza efa lasa mampiasa ireo seza volamena, ny hafa efa mampihatra ny « vaky lalan-tsara » mihitsy, ny fitangorongonana amin’ny lanonana maro samihafa etsy sy eroa manginy fotsiny. Marihina anefa fa ny fiainana andavanandro no miverina tsikelikely fa tsy mbola tapitra mihitsy akory na foana ny valan’aretina. Araka izany mbola mitanintanina eo ambony lohantsika tsirairay avy ity loza mitatao, areti-mandringana ity ka tokony samy handray andraikitra ny rehetra.
Nangonin’i m.L