- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-Divers« Crash » : Mpanamory ny efatra tao anatin’ilay fiaramanidina

« Crash » : Mpanamory ny efatra tao anatin’ilay fiaramanidina

Efa misokatra ny fanadihadiana momba ny fitontonan’ny fiaramanidina kely karazany Piper; izay nitranga tetsy Ampangabe. Mazava hoazy, fa mandeha tsikelikely ny fivoaran’izany ary miainga amin’ny petra-kevitra aloha noho ny tsy fisian’ny « boîte noire » izay mirakitra ny fiainana rehetra tao anatin’ilay fitaovana, ary koa noho ny tsy fisian’ny serasera izay nifanaovana tamin’ny mpandrindra ny zotra (tour), ankoatry ny teo amin’ny fiaingana sy ny fidinana (izay tsy tontosa izany satria nianjera ny fiaramanidina). Mpanamory iray izay nisafidy ny tsy nanonona anarana no nametraka ny fijeriny : heveriko fa ambany loatra ny sidina ka raha vao nisy ny tsy fetezana ara-teknika kely izay heverina fa ny motera no nijanona, avy hatrany dia nitsoraka nidina ny lohan’ilay fiaramanidina ary nifatratra tamin’ny tany. Raha ny fijerin’ny mponina eny Ambohitrimanjaka izay nahita ny fitontonany tokoa, dia ambany ilay sidina ary nihodinkodina be ny fianjeran’ny fiaramanidina (vrille). Notohizan’ilay mpanamory izay tafaresaka taminay, fa mety ho ny tsy mbola nahazoany ny haavo izay nilaina izany mba hahafahany mitsingevana kanefa nitranga ny olana ara-teknika dia tsy maintsy nianjera ilay fiaramanidina. Petra-kevitra arak’izay voalaza etsy ambony avokoa izany, fa raha ny zava-misy teo amin’ny tantara  nitranga teto amintsika, dia ny fiaramanidina kely hatrany no tena nitera-doza, indrindra tao anatin’ny efa-taona izay. Mbola tadidin’ny maro ny nisian’ilay fiaramanidina kely izay nianjera tetsy Arivonimamo, raha nitondra miaramila sy nanazatra ireo mpianatra ho miaramila tety ambonin’ny tany avy amin’ny fibaikoana azy ireo eny ambonin’ny fiaramanidina. Mbola tadidy koa ilay mpandraharaha izay nianjera tetsy amin’ny manodidina an’Arivonimamo hatrany noho ny tsy fahatomombanana ara-teknikan’ny fiaramanidina, izay nitondrany azy avy tany Tsiroanomandidy. Manampy ny lisitra ny loza izay nitranga afak’omaly. Loharanom-baovao teo anivon’ny fitaterana an’habakabaka no nahafantarana, fa ilay mpanamory tamin’io fotoana io dia nanatontosa ny sidina farany izay hahazoany ny fahazoan-dàlana mampiofana mpanamory. Ny tao anatin’ny fiaramanidina indray, dia mpanamory avokoa sy mpampiofana mpanamory ny rehetra tao, ankoatry ny zanak’ilay nitondra ny fiaramanidina. Midika izany fa raha olana azo novahana dia  nandraisan’izy ireo fanapahan-kevitra maika, heverina arak’izany fa tsy azo ihodivirana ny zava-nitranga.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici