- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversCRCO Atsinanana : Naverina ireo sakana ara-pahasalamana

CRCO Atsinanana : Naverina ireo sakana ara-pahasalamana

Nivory maika ny teo anivon’ny CRCO Atsinanana ny sabotsy folakandro teo tamin’ny 04ora, nasaina nandritra izany ireo talem-paritra sy ireo lehiben’ny servisy samy hafa, satria nisy ny fepetra noraisin’ny governoran’i Faritra atsinanana mpitarika ny Crco nandritra izany. Raha ny tapaka nambaran’ny governora ny faritra atsinanana dia haverina hamafisina avokoa ireo fepetra sakana ara-pahasalamana rehetra efa noraisina teo aloha, ka nanomboka omaly alatsinainy 10 janoary no niverenan’izany manerana ny faritra.

Nisy ny fanaraha-maso nataon’ireo mpitandro ny filaminanana nanomboka omaly amin’ireo olona tsy manao ny arovava orona eny an-dalambe, tsy mbola misy aloha ny sazy omena ireo tsy manao izany raha tsy afaka iray volan’ny hetsika. Teo koa ny tsy maintsy fampiasana ireo fanasana Tanana sy fampiasana “gel” ary fanaovana arovava orona ao anaty taxi-brousse. Misy nanomboka omaly alatsinainy ny fampiasana ny “virokil” atao eny amin’ny biraom-panjakana sy eny amin’ireo toerana be olona. Nambaran’ny governora ihany koa ny fanaovam-bakisiny ho an’ireo olona afaka manao izany amin’ireo vakisiny karazany efatra afaka ataon’ny Malagasy. Nomarihan’ny filohan’ny CRCO Atsinanana, Rafidison Richard Théodore, fa tsy sakana amin’ny fitadiavam-bolan’ny olona no atao mandritra ny fisavana atao, fa fitsinjovana ny fahasalamany sy ny ainy no tena antony.

Ankoatra izay araka ny tatitra nataon’ny talem-paritry ny fahasalamana atsinanana, dia niisa 11 ny tranga vaovao amin’ny covid-19 teto Toamasina tamin’ny fitiliana niisa 256 ny sabotsy teo, niisa 40 ireo tsaboina eny amin’ny hopitaly sy eny an-tranony ka ny 08 amin’izany no tranga nahita fasarotana, iray kosa no maty nandritra ny sabotsy. Raha ny fanazavana hatrany dia ny fokontany Tanamakoa sy boriborintany Ankirihiry no tena ahitana tranga amin’ity covid-19 mihamirongatra ity. Olona mihoatra ny 60 taona sy eo anelanelan’ny 25 taona hatramin’ny 35 taona no tena mpanao vakisiny eto Toamasina, araka ny tatitra hatrany.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici