- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversCRCO Atsinanana sy ny BNGRC nasionaly : Tsy azo atao intsony ny...

CRCO Atsinanana sy ny BNGRC nasionaly : Tsy azo atao intsony ny mitondra faty ivelan’ny faritra manomboka izao

Taorian’ilay fepetra noraisin’ny fanjakana ny 11 mey teo, tamin’ny fandrarana fa tsy azo idirana sy ivoahana ny Faritra efatra eto Madagasikara, dia Atsinanana – Alaotra-Mangoro – Matsiatra ambony – ary Analamanga, noho ny fiparitahan’ny valanaretina covid-19. Niova indray ny fepetra nanomboka ny 21 mey,  satria tsy azo atao intsony manomboka izao ny mitondra faty ivelan’ny faritra nahafaty ny olona iray, hoy ny tale jeneralin’ny BNRGC tonga teto Toamasina. Ny anton’ilay fepetra araka ny fanazavana nataony, dia noho ny fiparitahan’ny valanaretina amin’ity fifampikasohana mitombo be ankehitriny ity, sy ilay faty nokasaina halevina any Faratsiho farany teo, satria matin’ny “fièvre typhoide” hoy ny fianakaviany ka izay no nampidirana azy teo anivon’ny hopitaly be. Saingy voasakan-dàlana tao Antananarivo. Nivaly ny fitiliana natao taminy ka voamarina fa niabo ilay maty . Vokatr’ izany dia nohamoraina ny fikarakana ireo mety maty eto Toamasina amin’ny fiaraha-miasan’ny kaominina sy ny CRCO Atsinanana, ka misafidy amin’ireo fandevenana 03 misy eto Toamasina ny tompo-manjo mandritra izany, na Fasam-bahiny, na Marokarazana, na Manangareza. Ankoatra izany, dia nisy koa ny fiaraha-miasan’ny CRCO sy ny Sicam izao; satria raha efa nanolotra fiara tsy mataho-dalana iray ny Sicam teo aloha, dia nisy koa ny fanoloran’izy ireo Bus be 05 hampiasaina amin’ny fitaterana ireo mpiasa mampihodina ny CRCO, ka ny 02 omena ampiasain’ny talem-paritry ny fahasalamana sy ny hopitaly manara-penitra, ny 03 ambiny koa hampiasain’ny BMH-n’ny kaominina sy ny mpiandro ny filaminana ary ny mpanao gazety eto Toamasina, amin’ny asany rehetra amin’ny ady atao ami’ny coronavirus. Efa misy ireo fepetra rehetra ara-pahasalaman’ny covid-19 ireto Bus ireto.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici