- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversCrmm Antsirabe : Mandray an-tanana ireo zaza mivadi-tongotra

Crmm Antsirabe : Mandray an-tanana ireo zaza mivadi-tongotra

Nifarana ny Alakamisy19 desambra   teo ny fampiofanana natrehin’ireo mpitsabo sy “kinésithérapeute” tao amin’ny CRMM mahakasika  ny zaza mivadi-tongotra na “Pied bot”. Fampiofanana izay naharitra hateloana, marihina fa tafiditra ao anatin’ny paikadim-pirenena narafitra ho an’ny taona 2017-2021 ity piakady ity ho fampivoarana ny sehatra fanarenana ara-batana ka isan’izany ny fandraisana an-tanana ny mivadi-tongotra. Ny antsoina hoe mivadi-tongotra dia tsy fahatomombanana ara-batana eo amin’ny tongotra hita eo ampiterahana, izany hoe lasa miforitra miditra ny fela-tongotra. Tsy fantatra mazava hatramin’izao ny antony tena mahatonga ny mivadi-tongotra. Araky ny tarehimarika nomena, amin’ny zaza 500 teraka dia mety ho mivadi-tongotra ny iray amin’ireo, ka ny zazalahy no maro voa noho ny zazavavy. Ny ONG “miracle Feet” no mpiara miombonantoka ka nahatotosana ny fiofanana ary ity farany ihany koa no manome tosika ho fanampiana ireo zaza mivadi-tongotra amin’ny fitsabona. Fantatra mantsy fa lafo ny sarin’ny fitsaboana ity mivadi-tongotra ity ary maharitra ny fitsaboana azy. Ny zaza vao teraka hatramin’ny 3 taona no mahazo tosika avy amin’ny “Miracle feet” ka entanina ireo ray aman-dreny manana zaza mivadi-tongotra hanantona ny CRMM eto Antsirabe fa azo tsaboina ny mivadi-tongotra ary tsy ilaina fandidina raha toa ka ara-potoana ny fitsabona azy. Izany rahateo no tanjon’ny fampiofanana dia hampihenana ny fandidiana.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici