- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversCT Hilarion Afaka madiodio

CT Hilarion Afaka madiodio

Omaly no notsaraina i Hilarion Rarison, mpikambana eo anivon’ny kongresin’ny tetezamita sady isan’ireo mahery fon’ny Magro. Nosamborina izy ny 6 novambra lasa teo rehefa voarohirohy fa nitarika ny olona hikorontana sy hitsipaka ny fitondrana. Ny zandary avy etsy Fiadanana no nisambotra azy noho ireo antony ireo ary notazonina tao amin’io toerana io izy nandritra ny fanadihadiana. Nentina teny amin’ny fampanoavana ary nahazo fahafahana vonjimaika. Omaly indray, raha araka ny fantatra, dia tsy nisy akory ny fitoriana momba azy. Tokony ho tamin’ny iray ora sy sasany ny fitsarana tao amin’ny efitrano fahenina, no nanomboka, ary naharitra antsasa-kadiny izany. Hatreto dia heverin’ny maro fa fampitandremana pôlitika, toa izay efa nitranga imbetsaka ihany, ny antony nisamborana an’ity mpikamban’ny kongresy ity. Izy mantsy dia isan’ireo izay mahitsy na koa mahery fiteny ao amin’ny Magro, toerana mba hany sisa azon’ny mpomba an’i “Dada” hivondronana. Ny zava-misy dia be loatra ny mpitsikilo ao amin’ity toerana ity, hany ka izay zavatra resahina ao dia mivoaka avy hatrany. Na izany aza anefa, tsy maintsy raisin’ny fanjakana an-tànana ve izay zavatra tapaky ny fivoriana politika, indrindra koa ao amin’ny “birao”-n’izy ireo izany no natao?

 

D.R    

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser