Tovolahy iray no voasambotry ny pôlisy misahana ny ady amin’ny heloka an’habaka ny herinandro teo. Voarohirohy tamin’ny fanodinkodinana zaza tsy ampy taona amin’ny alalan’ny horontsaray mamoafady ny lehilahy ary manaparitaka izany anaty tambajotra sosialy. « Misandoka ho terantany vahiny izy amin’izay ary manambitamby ireo zaza tsy ampy taona mba handefa sary na horontsary mamoafady, atakalo vola (…) Vao azony io dia mivadika miteny gasy amin’izay ary mandrahoana ilay lasibatra sy ny fianakaviana handefa vola ho azy, raha tsy izany dia haparitany ilay sary». Niditra an-tsehatra avy hatrany ny pôlisy nanao ny fikarohana ary io voasambotra ny lehilahy. Mbola nahitàna karazana pôrnô an’ankizy maro tanaty findainy. Efa natolotra ny Fampanoavana moa ity farany ary nadoboka avy hatrany eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy.
m.L