- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversCybercriminalité : Niainga avy any Bénin ny antso fandrahonana ?

Cybercriminalité : Niainga avy any Bénin ny antso fandrahonana ?

Samy nahazo taratasy fitarainana avy amin’ny solombavambahoakan’Isandra na ny zandary na ny polisy izay misahana ny heloka mahakasika ny fampiasana ny tranokalam-pifandraisana. Ny teo anivon’ny polisy dia nilaza fa mbola ao anatin’ny fihainoana ny mpitory aloha hatreto. Ny zandary indray dia nanazava fa hifandrimbona amin’ny polisy amin’ny fanadihadiana, indrindra fa eo amin’ny fizaram-baovao. Na dia efa nisy aza ny feo nandeha fa misy olona efa voasambotra omaly , dia tsy nohamarinin’ny polisy aloha izany. Miompana tanteraka amin’ny fandrenesana ny fanazavan’ny mpitory aloha ny tena lahasa. Loharanom-baovao akaiky ny mpitandro ny filaminana indray no nandrenesana fa ahiana ho niainga avy any Bénin ny antso fandrahonana sy fitakiam-bola ho solon’ny tsy fizarana ny sary izay natao tamin’ilay depiote. Tombana ihany izany aloha hatreto satria mbola mandeha ny fijirihana rehetra ny niavian’ny antso. Azo eritreretina ihany koa ny hoe novana ny fiavian’ny antso (déroutage des appels téléphoniques)  ka na eto Madagasikara ihany aza dia lasa any ivelany indray no hitan’ny teknolojia. Etsy andanin’izany dia nivoaka tamin’ny fahanginany ny olom-boafidy izay voakasika ary nanazava fa very tany Paris ny finday nisy io sary io ary fifandraisana nataony tamin’ny vady andefimandriny no nandefasana ireo sary sy horonan-tsary. Ankoatr’izay dia nohazavainy koa fa nisy nandrahona tamin’ny antso roa karazana ny tenany efa hatramin’ny herinandro lasa teo. Ny voalohany dia antso avy amin’ny tambajotra malagasy ary ny iray kosa dia antso avy any ivelany. Miompana amin’ny famantarana ny tompon’ireo laharana ireo izany, mazava hoazy ny dingana voalohany. Ny faharoa indray dia ny fijirihina ny laharana IP an’ny kaonty izay nampiasain’ilay olon-dratsy. Samy sarotra avokoa ny fanadihadiana na ny voalohany na ny faharoa satria ny teknolojia eto amintsika dia mbola farahidiny, na izany aza mba efa nahazoam-bokany ihany nisy fotoana. Ny tranga toa izao dia efa mandresy lahatra hatrany fa tsy maintsy omen-danja lehibe amin’izay ankehitriny ny fampiasana teknolojia amin’ny famahana fanadihadiana. Isan’ny lesoka izay nampitarazoka ny fisamborana ny mpanao kidnapping ohatra ny tsy fahafehezana an’izany nefa dia laharana mitovy hatrany no nampiasain’ireo olon-dratsy nitakiana vola ary (raharaha Toamasina) ary ireo dia manao facebook toa ny olon-drehetra ihany. Nefa dia tsy hita raha tsy aman-taonany taty aoriana.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici