- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-Divers« Cybercriminalité » : Nidoboka eny Antanimora omaly ilay tovolahy

« Cybercriminalité » : Nidoboka eny Antanimora omaly ilay tovolahy

Omaly no natolotra ny fampanoavana ilay tovolahy izay nokarohin’ny zandary noho ny fanaovana hosoka ny adiresy mail-n’izy ireo, izany dia entina hanalana baraka ny fianakaviana iray izay monina etsy Sabotsy-Namehana. Nolazaina, fa mpamatsy vola ny mpaka an-keriny ary koa mpamatsy vola ny mpanongam-panjakana io ramatoa io ary nanaovana « avis de recherche » sandoka nalefa tamin’ny e-mail, mbola sandoka ihany koa, mitondra ny anaran’ny fari-piadidian’ny zandary eto amin’ny faritanin’Analamanga (CIRGN). Nanokatra fanadihadiana avy hatrany ny zandary eo anivon’ny sampana miady ny « cybercriminalité », mainka koa nanamafy izany ny fitorian’ilay ramatoa voakasika sy ny zanany. Rehefa nandeha ary ny fikarohana rehetra avy amin’ny alàlan’ny teknolojia dia hita ny niavian’ny e-mail. Nizotra nankany amin’ilay tovolahy 27 taona izay mpiasa teo aloha teo anivon’ny orinasan-tserasera iray izany. Mbola nijanona tao anatin’ny solosaina izay fampiasany avokoa ny porofo rehetra rehefa natao ny fisavana ny tranony sy ny fitaovana ara-teknolojika fampiasany, raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny mpitory. Io farany ihany no nandrenesana, fa niaiky ny helony ilay tovolahy izay tsy aiza fa monina eny Sabotsy-Namehana ihany koa. Mazava fa misy resaka lonilony kely izay mety ho fialonana no nitarika ity lehilahy ity nanao ny tsy mety. Momba ity tranga ity hatrany, ny mpitory dia vonona ny nanatsoaka ny fitoriany raha toa ka nisy fialàna tsiny ampahibemaso nataon’ilay tovolahy, saingy tsy tonga tamin’izany io farany dia io nidoboka am-ponja io. Na izany aza anefa, ny raharaham-pitsarana koa, raha vao tonga eny amin’ny fampanoavana, dia tsy misy fanatsoahana fitoriana azo atao intsony, satria efa samy tompon’andraikitra amin’ny nataony ny tsirairay, na ny mpitory izany na ny toriany. Ny mety ho vokatry ny fitoriana angamba, dia ny mety hahamaivana ny sazin’ny toriana. « Mpivavaka izahay ary tsy dia ny hanagadra loatra no tanjonay, indrindra koa mbola tanora vao erotrerony ny voakasika, saingy izay moa ny zava-nisy sy ny fivoaran’ny raharaha » hoy ny mpitory raha nanontaniany. Amin’ny 12 febroary hoavy izao no handeha  ny fitsarana ity raharaha ity.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici