Voarohirohy ho nisandoka ny adiresy « mail »-n’ny zandary tamin’ny alàlan’ny cirgn12madagasikara@gmail.com izay kaonty tsy mitombina velively. Izany dia nentina nanalàna baraka y ramatoa iray izay tompon’ny « quincaillerie » iray etsy Sabotsy Namehana. Tsy izy ihany aza fa ny zanany koa dia noharatsiana tamin’ny alàlan’ny fampitana ny sariny tao anaty sary nopaingorina tamin’ilay « e-mail » izay nalefa tamin’ny mpanao gazety efa ho telon-jato. Nolazaina tao anatin’izany, fa mpamatsy vola sy fitaovana ny mpanao fakàna an-keriny eto an-drenivohitra ilay ramatoa ary koa mamatsy vola fanonganam-panjakana. Ny mpanao gazety mpikirakira ny trangam-piarahamonina, dia nahatsikaritra avy hatrany fa sandoka io « mail » io ary nentina hamotehana fiainan’olona fotsiny. Nitombina tokoa izany rehefa nohamarinina tamin’ny sampana seraseran’ny zandarimaria ; izay ny harivan’iny ihany dia nampitandrina fa misy misandoka ny « e-mail »-n’ny zandary. Teo dia efa nanomboka nisokatra ny fanadihadiana. Etsy andanin’izay, ilay ramatoa nalaina baràka, niaraka tamin’ny zanany, dia nametraka fitoriana teo anivon’ny sampana « cybercriminalité » ao amin’ny zandarimaria. Natao ny fitsirihina rehetra sy ny fampiasana ny teknika entina mamantatra ny olon-dratsy izay nanoratra ilay « e-mail » ary dia nisy fahombiazany tokoa izany. Omaly ary dia olona iray no nosamborina ary nalaina am-bavany avy hatrany, tetsy amin’ny Toby Ratsimandrava. Tsilian-tsofina no nandrenesana sy nahalalàna fa mpiasa teo aloha teo anivon’ny haino aman-jery iray ilay olona. Mety tao anatin’ny lisitry ny nahazo vaovao tamin’ny mpitandro ny filaminana izy ary dia iny lisitra marobe iny no nohararaotiny nadika, dia nandefasany ilay fampitam-baovao sandoka. Isan’ny zava-baovao ratsy nefa nirongatra tamin’ity taona ity ny fisian’ny mpisandoka amin’ny aterineto izay manaratsy olona. Raha ny teo anivon’ny pôlisy fotsiny, dia efa nahatratra 12 ny olona nosamborin’izy ireo ka nidoboka am-ponja (nisy teny Tsiafahy aza) noho ny fanaratsiana mivantana olona amin’ny tambajotra sosialy. Nizara ny hevitra momba izany. Betsaka ny faly, satria matetika dia ny voninahitry ny olona mihitsy no potehin’ireo mpisandoka ao anatin’ny fotoana fohy. Nisy koa anefa ny tsy nankasitraka ny fanagadrana, satria raha ny didy aman-dalàna mahakasika ny “cybercriminalité” no jerena, tsy tafiditra ao anatin’izany velively ny sazy an-tranomaizina. Fandoavana lamandy no voasoritra ao anatin’ny lalàna 2016-037. Na izany aza, mora foana ny mampiasa ny fehezan-dalàna famaizana, ankoatry ny lalàna miady amin’ny “cybercriminalité”, rehefa mitombina ny fanalam-baràka. Toy izay nahazo ilay ramatoa sy ny zanany, tamin’ity tranga fisandohana ny “e-mail”-n’ny zandarimaria.
D.R