- Publicité -
dimanche, juin 15, 2025
AccueilFaits-DiversCybercriminalité : Piraty ara-haikajy mirindra iray nosamborina

Cybercriminalité : Piraty ara-haikajy mirindra iray nosamborina

Tovolahy iray vao 22 taona monja no nosamborin’ny pôlisy misahana ny cybercriminalité. Voarohirohy tamina resaka fidirana an-kosoka tao amina pejy facebook ana mpandraharaha ity farany na « piratage informatique » ary niampy fangalàna vola mihoampampana tsy ara-drariny tamin’ireo lasibatra.

Ny voalohan’ny herinandro teo ity piraty infôrmatika ity no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ary nadoboka am-ponja vonjimaika. Raha ny zava-nisy, araka ny fampitam-baovao azo teo anivon’ny pôlisim-pirenana dia vola manodidina ny fito hetsy ariary ary saika mbola niampy 1 200 000 ariary izany raha tsy mailo ireo lasibatra, no efa azon’ity tovolahy ity tsy ara-drariny. Voalazan’ny vaovao tokoa mantsy fa hoe nisy niditra an-kosoka (pirate) ny pejy Facebooka-na mpivady iray mpandraharaha. Fitaovana matihana natao hampandrosoana ny zavatra nataon’izy ireo ity pejy ary azo lazaina fa andry hiankinan’ny fandraharahana nataon’izy ireo. Araka izany dia nanao antso sy filazàna ireto olona ireto, sao mba  hisy olona afaka mamerina manokatra indray izany « compte » izany. Namaly azy ireo avy hatrany ity tovolahy ity ary nilaza manana namana mpikirakira haikajy mirindra afaka mamaha ny olan’izy ireo. Misy sandany anefa izany ary vola nitentina 700 000 ariary teo no notakiany. Amin’izay maha andry hiankinan’ny fiharian’izy ireo izay dia nanaiky handoa an’io vola io ireo mpivady. Taty aoriana, hitan’izy ireo fa nisy tamin’ireo pejy hafa fampiasan’izy ireo ihany koa no tsy nahafahana niditra intsony. Nifandray avy hatrany tamin’ilay tovolahy indray ireto mpivady ary tsy tahotra tsy henatra ity farany nitaky vola 1 200 000 ariary ho karamany hamoahana ireo pejy. Teo no nahamailo ireto farany ka nametrahan’izy izy ireo fitoriana tany amin’ny polisy sampana cybercriminalité. Fantatra tamin’ny alalan’ny famotorana natao ity tovolahy ity fa izy ihany no tao ambadiky ny « piratage »n’ireo pejy ireo ary mbola tratra tao aminy aza moa, raha ny vaovao hatrany, ny porofo rehetra nahakasika izay.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici