Dahalo iray indray no nahazo saran-dalana ho any amin’ny varo-tsy mifody ny andron’ny alahady teo tany amin’iny kaominina Antsahalava, distrikan’i Tsiroanomandidy iny, taorian’ny fifanandrinany tamin’ireo fokonolona nampian’ny zandary. Rah any zava-nisy : ny maraim-ben’ny alahady io dia nalain’ny dahalo antsokosoko ny omby tao ambala, tao amin’ny tananan’i Beambiaty. Omby roa ireo lasa, hoy ny vaovao. Adin’ny iray taty aoriana, rehefa nisy fanarahan-dia nataon’ireo fokonolona niaraka tamin’ireo zandary, dia hita ny omby iray. Nahavelombolo ny mpanara-dia izany ka nampandrenesina avokoa ireo fokonolona sy ny tanana manodidina, hiambina ny kizo sy izay mety ho lalan’ireo olon-dratsy. Tokony ho tamin’ny dimy ora maraina tany ho any no nifankatratra teo amin’ny kizon’i Bekapika, ireo mpanara-dia sy ireo dahalo roalahy nandroaka ilay omby halatra. Nisy avy hatrany ny fifandonana teo amin’ny roa tonta. Tsy nanaiky moa ny fisamborana azy ireo mantsy ireo olon-dratsy ka nampiasa ny fitaovam-piadiana teny aminy. Voatery niaro tena ihany koa ireo mpanara-dia ka nampiasa ny azy ireo. Vokany, iray tamin’ireo olon-dratsy no lavon’ny bala, tafatsoaka kosa ny namany ary azo teny am-pelan-tanan’izy ireo ny omby. Raha ny voalaza dia tavela teo amin’ny toerana nisian’ny fifandonana ny basy nampiasain’ireo olon-dratsy. Mbola mitohy moa ny fikarohana ity nitsoaka ity, araka ny fampitam-baovao azo. Ilay namoy ny ainy kosa dia natolotra ny fokonolona ho amin’ny fandevenana azy, taorian’ny fitsirihana nataon’ny mpitsabo. Marihana fa dahalo tsy fantatra hoe avy aiza na avy aiza ity lavo ity.
Articles qui pourraient vous intéresser