- Publicité SW45 -
vendredi, décembre 27, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversBemokotrà-Maevatanàna :  Dahalo iray no maty voatifitra

Bemokotrà-Maevatanàna :  Dahalo iray no maty voatifitra

Mihazakaka be ny vokatra azon’ny zandary ao amin’ny » FIGN », na Force D’Intervtion à la Gendarmerie Nationale, miampy ireo zandary namany avy eto Maevatanàna, manatanteraka ny fanohizana fanarahan-dia sy fikarohana ireo malaso namono nahafaty an’ilay manamboninahitra zandary mitondra galona  » Lietinà, » tamin’ny androny alatsinainy 22 janoary lasa teo iny, tokony miatataovovonana. Taorian’ny zava-nisy no nanao rodobe any Antanifotsy-Kaomadio, fokontany Mahatsinjobe, kaominina ambanivohitra Bemokotra, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna ny Zandary, ka raikitra ny savao anaty akata. Jiolahy iray fantatra amin’ny fiantsoana hoe: Zaman’i Rida, monina any amin’ny faritra manodidina voalaza etsy ambony no nahazoam-baovao avy amin’olona tsara sitra-po fa anisan’ireo malaso nandray anjara mivantana tamin’ny halatra omby tao Saridrano, fokontany Marofotra, kaominina Maevatanàna faharoa, sy nitifitra nahafaty an’ilay Lietinà Brice. Iny izy nentin’ny mpitandro ny filaminana hanoro ireo namany iny, dia nitsoaka tampoka, rehefa nahita hirika nahafahana nanao izany. Tsy niandry ela ny zandary nandray ny fanampahan-keviny nitifitra azy avy aoriana. Vokany: maty teo no ho eo i Zaman’i Rida. Raha ny angom-baovao voaray hatrany dia nisy malaso iray hafa ihany koa voasambotry ny zandary tao Mahatsinjobe-kaomadio, nentina hanoro ny namany ao amin’ny tanànan’i Manidibatana, atsimo kelin’i Saridrano, any amin’ny kaominina Maevatanàna faharoa, amin’izao fotoana anoratanay ny lahatsoratra izao.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici