
Ara-bakiteny mihitsy ity fitenenana ity teto, satria teo am-pangalarana omby, raha ny tena marina, dia teo am-pamakiana valan’omby mihitsy ireto dahalo no nifanehatra tamin’ireo zandary. Raikitra ny an-kitifitra ka maty tamin’izany ny olon-dratsy iray, efa nikoizana any amin’iny faritra iny antsoina hoe Berizily tany amin’iny distrikan’i Farafangana iny no nitranga ity asan-dahalo ity ny sabotsy hariva lasa teo. Tamin’io fotoana io tokoa mantsy dia efa mailomailo ny amin’ny fisiana andian’olona hafahafa tao an-tanana ireo Jama (mpiandry tanana) ka nampandre avy hatrany ny zandary. Nidina avy hatrany tany an-toerana ireo mpitandro filaminana ary nametraka paikady entina hanjonoana ireto olon-dratsy. Tokony ho tamin’ny 12 ora alina tokoa no tonga tao Sarambendra Tovona, ny andian-dahalo maromaro, hamaky valabe sy handeha hamoaka ireo omby an-jatony maromaro. Ireo Jama mpiambina izany valabe izany no avy hatrany dia nokendren’izy ireo tamin’ny tifitra, saingy ny tsy fantatr’izy ireo dia efa nisy zandary tsy lavitra teo. Nikendry ity nitifitra ity ihany koa. Namaly tifitra araka ireo mpitandro filaminana. « Nirifatra nilefa kosa ny sasany izay efa namaky ny valan’omby nandre ny feom-basin’ny zandary. Tratran’ny tampoka ka tsy tafavoaka teo am-pamoahana ny omby. Maty voatifitra ny dahalo iray. Mbola tratra teny aminy ny basiny iray sy mohara maromaro. » hoy ny vaovao. Mbola eo am-pikarohana ireo naman’izy ireo hafa moa ny zandary any an-toerana amin’izao. Nomena ny fokonolona kosa ny vatana mangatsiakan’ity voatifitra ity, halevina.
m.L