- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversDahalo nilavo lefona : Hanampy ny zandary hisambotra…dahalo hafa

Dahalo nilavo lefona : Hanampy ny zandary hisambotra…dahalo hafa

Tsy niova fo fa nilavo lefona no tena filaza azy, hoy ny zandary. Omaly dia nihaona tamin’ny mpanao gazety ny tompon’andraikitra teo anivon’io vondrona io ary nanazava fa miisa 5000 ireo dahalo nilavo lefona tany atsimo ka nifanaraka tamin’ny zandary fa hisambotra ny namany hafa izay mbola manao ny asaratsiny. Ny takalon’izany dia ny fanampiana azy ireo hiverina eo amin’ny fiaraha-monina. Izany hoe ny fanomezana azy ireo taratasy ara-dalàna toy ny kara-panondro, ary koa ny fanampiana azy ireo amin’ny asa. Momba ny basy izay fampiasan’izy ireo indray, dia haverina eny aminy ihany izany rehefa voamarina tsara ny taratasy. Mirediredy ve ny zandarimaria? Tsy misy afa-tsy izany ny fanontaniana sy ny resaka nandeha tetsy sy teroa efa ho herinandro izay. Ny tantara sy ny mpahay fiaraha-monina mantsy dia manazava fa efa hatramin’ny faha-mpanjaka no nisy ny dahalo. Fomban-tany sy kolontsaina ilay izy, alohan’ny rehetra. Dia ahoana ny fomba nanovan’ny zandarimaria kolontsaina iray efa nankatoavin’ny fiaraha-monina hatry ny ela? Nilaza ny tompon’andrakitra fa nisy tsindry natao. Heverina fa herisetra izany tsindry izany ary raha ny re rahateo dia izay no mampiavaka ilay manamboninahitra mitarika ny hetsika tany atsimo, ny kapiteny tsimitsitsy. Voaova avy amin’ny alàlan’ny herisetra ary ve izany ny kolontsaina iray? Marobe ny fanontaniana napetraky ny olona…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser