Anisan’ireo olon-dratsy tompon’antoka tamin’ny fanafihana nisesisesy sy vono olona tany amin’iny distrikan’Ambatoboeny, indrindra ny tao amin’ny kaominina Madirovalo sy ny manodididina I Tsilova. Ny hariva’ny alahady teo, tapitra hatreo ny fanaovany asa ratsy, rehefa nifanena tamin’ireo mpitandro filaminana ny lehilahy. “ Nifanandrina tamin’ny zandary tao Madirovalo, lalana mihazo ny tanàna antsoina hoe Ambanjabe ity dahalo ity ka nandritra izany no nahalavo azy” hoy ny fampitam-baovao azo. Araka ny fanazavana azo hatrany dia efa ela no teny am-pelatananan’ny zandary ny mombamomba an’ity olon-dratsy ity, noho izy voatonona matetika tamin’ireo karazam-panafihana nitranga tany an-toerana. Anisan’ireny ny fanafihana niharo vono olona mahatsiravina nitranga tao Ambararata, ny tapaky ny volana jona lasa teo. Torak’izany ihany koa ireo fandrobana maro isan-karazany, nampitondra faisana ny mponina tany amin’iny faritra iny. Efa ela araka izany no nokarohina fatratra ity olon-dratsy fa izao no nifanehatra tamin’ireo zandary. Mbola niezaka ny nanohitra ihany koa aza moa izy, antony nahavoatifitra ny tenany, raha ny vaovao hatrany. Mbola azo lazaina maro ireo namany, mpiara-dia aminy amin’izany fanafihana sy fampihorohoroana izany no miriaria any an-toerana. Efa eo an-dalam-piakarohana azy ireo ny zandary, raha ny fampahafantarana hatrany.
m.L