- Publicité -
samedi, juin 14, 2025
AccueilFaits-DiversAmbalamanasy Toamasina : Dahalo roa voatifitra, tafaverina ny omby

Ambalamanasy Toamasina : Dahalo roa voatifitra, tafaverina ny omby

Nisehoana halatr’omby am-bala tao Ambalamanasy Toamasina ny alin’ny alatsinain’ny pentekosta teo. Tokantrano iray no voatafika, carreau 6 no very ary omby miisa roa tao anatin’ny alina iray. Nampandre avy hatrany ny zandary izy ireo. Nametraka paikady matotra sy mahomby ireto farany. Tsy niandry ela rahateo ny kaompanian’ny zandarimaria ao Toamasina fa nanome toromarika ny olony tao Ambalamanasy. Natao arak’izany ny fanarahan-dia. Nifanehitra an-dalana tamin’ireo jiolahy mpangalatr’omby tokoa ireo mpitandro ny filaminana. Nisy ny fikasàna hampiasa hery avy amin’ireo olon-dratsy ary dia raikitra ny fifanjevoana. Vokatr’izany dia maty voatifitra ireo jiolahy roa ary tafaverina amin’ny tompony ny omby roa.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici