- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversArivonimamo : Dahalo sy zandary nifampitifitra

Arivonimamo : Dahalo sy zandary nifampitifitra

Samy telo lahy. Andaniny, zandary izay nanao fisafoana. Ankilany, dahalo izay nandalo teo amin’ny fokontanin’Ambohidehibe, eo anivon’ny kaominin’Arivonimamo. « Tokony ho tamin’ny 8 ora alina ny alakamisy teo no nahatsikaritra lehilahy telo hafahafa fihetsika ny zandary nanao fisafoana. Rehefa narahina dia nandositra. Nampitandremana mba hijanona kanjo tifitra no valin’izany » raha araka ny fanazavan’ny zandary. Dia raikitra arak’izany ny fifamaliana tifitra teo amin’ny roa tonta ary nanakoako teo amin’ilay tanàna ny feom-basy. Tao anatin’izany no nisy dahalo iray lavo. Nanao tari-dositra kosa ny namany miisa roa ary tafaporitsaka tao anatin’ny haizina. Rehefa nohamarinina dia dahalo efa nokarohina hatry ny ela izay antsoina hoe Fidy mainty ilay maty voatifitra. « Malaza amin’ny halatr’omby ary nampihorohoro ny manodidina hatrizay i Fidy mainty. Mbola taraiky teny an-tanany ny basy poleta vita gasy » raha araka ny fanampim-panazavana avy amin’ny zandary hatrany. Efa nahazo fitarainana maro ny momba azy ary ny atoandron’io ny olona dia efa nihorohoro indray raha nahita azy nihaodihaody tao an-tanàna. Tsy nijanona teo amin’ny fahafatesan’ity jiolahy ity ny raharaha satria mitohy ny fikarohana ireo namany izay tafaporitsaka.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici